SlideShare a Scribd company logo
1 of 26
Toro-hevitra 5 hihazonana ny
fifankatiavana tsy ho rava
Mihavana amin’ny olona rehetra
Mahafinaritra ery rehefa mahazo
namana vaovao, na rehefa
mifandray tsara amin’ny olona,
na havana izany, na namana, na
ny vinanto sy ny rafozana, na ny
mpianakavin’ny finoana, na
olom-pantatra eo amin’ny
fiaraha-monina; ary amin’izany
dia tokony hiezaka hitandro ny
fihavanana mba ho tsara hatrany
hatrany.
Fampidirana
Ny olana nefa dia, tsy mora
foana akory ny mitandro
fifankatiavana amin’ny olona
tiana sy ny manodidina toy
izany. Mety ho maro no
antony mahasarotra izany,
toy ny tsy fitovian’ny zavatra
tiana atao, na ny tsy
fitovian’ny fomba fanao, ny
fomba fijery, ny fisainana ary
ny fihevitra.
Izany fahasamihafana rehetra izany
matetika dia mitarika adiady madinika,
izay mety mihafara amin’ny fifamaliana
sy korontana, na dia amin’ireo
mpiraitampo sy mpivady efa niray
trano nandritry ny taona maro aza.
Ary amin’izany, raha be loatra ny
ambom-pon’ny tsirairay, sady tsy
mahay mifandefitra no tsy maharitra
amin’ny fibanjinana ny tanjona
iombonana, dia ho rava tanteraka ny
fihavanana.
Efa fantatra mazava tsara anefa
fa ny tanjon’ny devoly dia ny
hanakorontana tokantrano sy
ny handrava ny fihavanana eo
amin’ny mpianakavin’ny
finoana.
Nefa, raha manana fandeferana sady
mifanaja ny tsirairay avy, dia ho
voaaro amin’ny fifandirana isika ary ho
voatandro ny fihavanana. Inona àry no
tokony hatao mba hitandrovana ny
fihavanana?
Mba hanjakan’ny fifankatiavana, ny zavatra
tokony hatao voalohany dia mila manana
fitoniana tanteraka ny tsirairay avy. Na
inona na inona zavatra mitranga, dia tokony
hanana fitonian-tsaina sy tsy hisendaotra,
ary tokony ho tony mandrakariva ny fo sy
ny saina.
Mety misy fomba maro azo atao
hitandrovana ny fihavanana sy
hampirindrana ny fiaraha-monina; nefa, ny 5
amin’ireny no ho dinihintsika:
Ny tokony hatao mba
hampirindra ny fihavanana
• Tokony ho tony
mandrakariva
• Miresaha amin’
Andriamanitra
• Fadio ny teny tsy
voahevitra
• Raha toa ka feno
loatra ny fo dia
mialà kely
• Fiombonana
matetika
Fanirian’ny olona rehetra ny hanana fifandraisana
mahafinaritra amin’ny manodidina azy. Ny olana
anefa dia matetika isika no mihevitra fa ireny
namantsika ireny dia Olona Tanteraka ka tsy
manana fahalemena.
Noho izany, raha vao mahafantatra ny fahalemeny
isika, dia tsy haintsika ny miatrika ny fifandirana
aterak’izany. Izany tsy fahazakana ny fahalemen’ny
namana izany no mahatonga fifamaliana sy ady,
ary mety hahatonga fisarahana mihitsy aza aty
aoriana.
Tokony ho tony mandrakariva
• Mba hitandrovana ny
fihavanana, ny tokony
hatao voalohany dia
manàna fitoniana.
• Tokony hiezaka isika mba
tsy hifanditra ary tsy
mifamaly mihitsy.
• Tadidio tsara fa tsy misy
olona tanteraka amin’ny
fahatsarana na dia iray aza.
• Manàna fitoniana ary fadio
ny mihevitra fisarahana
Ankoatr’izany, amin’ny mahaolona mitafy
nofo antsika dia mety hanao fihetsika tsy
voahevitra indraindray, ka mahatonga ny
fitondrantena ho tsy araky ny tokony ho
izy. Noho izany, tadidio fa tsy misy
tanteraka akory ary anisan’izany io
namantsika io.
Fanampin’izany, ny faneriteren’ny zavatra
atrehina andavanandro, miampy ny
fanorisorenana avy amin’ny fiaraha-monina
dia mety misy fiantraikany amin’ny fomba
fisainana sy fihetsika atao.
Noho izany, manàna fitoniana
ary tandremo ny lela mba tsy
hiteny na inona na inona
mandritra ny fotoana
mahasosotra, fa vao mainka
haharatsy ny toe-draharaha
izany fihetsika izany.
Ny tokony hatao dia mitony
ary miezaka mahalala ny
anton-javatra rehetra ao
anatin’ny filaminana tanteraka.
Ezaho koa ny mihevitra am-
pilaminana ny ho voka-
dratsin’ny korontana ao
aoriana kely ao.
Tandrovy ny fihavanana tsy
ho rava ary banjino ny
tanjona iraisana ka ifantohy
ny hihazonana ny fihavanana
sy filaminana mba
hahatratrarana ny tanjona.
Nefa, mety ho sarotra amintsika ny ho tony
mandrakariva amin’ny maha olombelona antsika.
Mila mangataka amin’ Andriamanitra mandritry ny
fotoana isian’ny fifandirana mba ho tony sy hisian’ny
filaminana eo anivon’ny ankohonana.
Tsy ho haintsika mihitsy ny hanova antsika ho tony
raha tsy eo ny Fanahin’Andriamanitra izay manampy
antsika hahatanteraka izany. Mila madio am-po
mandrakariva ary mifamela heloka isika amin’izany.
Miresaha amin’Andriamanitra
Fanampin’izany, dia mila mahay manadino ny toe-
javatra lasa taloha koa, ary tsy tokony hitana am-po
ny zavatra lasa sy ny adiady lasa tany aloha tany; fa
tokony hangataka amin’ Andriamanitra amin’ny
anaran’i Jesosy mba hanadio ny fontsika sy
hahaizantsika hamela heloka.
Raha tojo olana sy korontana koa dia matetika isika
no mandeha mitantara ny zavamisy amin’ny namana
na ny havana akaiky. Marina fa manome torohevitra
antsika izy ireny ary miezaka manome vahaolana.
Mety mahomby ilay torohevitra; nefa mety tsy
mahomby koa indraindray.
Nefa, raha tojo olana isika, dia
Andriamanitra irery ihany no
afaka manome vahaolana
tena mahomby ho antsika;
noho izany, Izy no tokony
hilazantsika voalohany ny
zava-misy. Ahoana no
hahatanteraka izany?
• Mandritra ilay
ady sy
fifandirana dia
mivavaha avy
hatrany.
• Antsoy Andriamanitra Ray hanatrika ny fotoana
rehetra ary Izy no hanampy antsika hanana
fitoniana sy hitandro ny teny aloaky ny vavantsika
mba tsy haharava ny fihavanana ary tsy handratra
ny hafa izany.
• Miresaha moramora amin’ Andriamanitra, kanefa
tsy atao ren’ny olona ny feo sady tsy asehoseho
koa izany fivavahana moramora izany. Tsy mila
miala ilay toerana akory mandritra io fotoana io, fa
mihaino tsara izay lazain’ilay namana na havana
mifanditra amintsika koa.
• Jehovah Andriamanitra irery ihany, Izay miady ho
antsika ,no hahaizantsika mitandro ny fihavanana
amin’ny manodidina antsika tsy ho rava mandritry ny
fotoan-tsarotra toy izany.
• Mila mivavaka isanandro isika mba hialana amin’ny
toetra mahanofo, ary mba ho tonga olom-baovao
manana fahatanterahana ara-panahy araka ny endrik’
Andriamanitra.
Raha tojo fifandirana amin’ny namana isika, dia fadio ny
manao teny tsy voahevitra izay mandratra sy mankarary
saina ny hafa.
Tandremo tsara mba ho teny feno
fanajana hatrany no hatao, ary
tandrovy ny fihavanana mba tsy ho
rava na inona na inona mety ho anton’
ny fifandirana.
Fanampin’izany, fadio ny mitsikera na manendrikendrika,
izany hoe ny miteny na mihevitra hoe “Ianao no
nahatonga izao olana izao”.
Fadio ny teny tsy voahevitra
Ny teny mandratra na ny fitsikerana izay
atao mandritra ireny ady na fifandirana
ireny dia toy ny sabatra manindrona ny
fon’ izay mihaino antsika.
Ny ratra vokatry ny fifame-
lezana amin’ny ady dia
mamela holatra tsy maty;
ary ny ratram-po vokatry ny teny
mahery sy ny teny tsy voahevitra
mandritry ny fifamaliana dia sarotra
sitranina ary tsaroana matetika.
Ny teny lazaintsika dia, na
handratra ny fon’izay mihaino
azy, na hankahery sy hanasitrana
ny fony.
Noho izany, tokony tsy hatao na
oviana na oviana ny manao teny
mandratra, na manompa, na
maneso, na mitsikera na
manendrikendrika mba
hihazonana ny fifankatiavana
sy fihavanana tsy ho rava.
Feno loatra ny fo rehefa maro loatra ny teny aloaky ny
vava ary rehefa tsy manana fandeferana isika. Tsy
haintsika intsony ny mitandrina ny fihetseham-po ary
mety hampiasa fihetsika tsy voahevitra koa aza
mandritra io fotoana io.
Feno fahatezerana mirehitra ny fo, ary mifangaro avokoa
ny fankahalana, ny tahotra sy ny tebiteby ary ny
fahadisoam-panantenana.
Raha toa ka feno loatra ny fo
dia mialà kely
Vokatr’izany, ilay fihetseham-po
ratsy feno fahatezerana no lasa
mibaiko ny saina, ary tsy te hanohy
ny fifandraisana amin’ilay olona
nandiso fanantenana na nahatonga
ny fanafintohinana intsony isika.
Nefa, mba hahaizantsika mifehy
izany fihetseham-po izany tsy
hibaiko ny saina dia izao no atao:
• Mandeha misintaka kely
miala ilay fifandirana aloha,
farafahakeliny
antsasakadiny, raha vao
tapitra ny fifandirana
• Mivavaha amin’I Jehovah
Andriamanitra, ary
mangataha fahazavan-
tsaina hahalalana ny
tokony hatao
Rehefa tony tsara dia mifanatona
ary mifonà amin’ny namanao ka
mifampiresaha amim-
pahatoniana indray
Atao mazava tsara fa
“Ny hevitra no ampiadi-
ana, ary ny fihavanana dia
tsy horavaina”
Mifamelà heloka ary manàna
fahavononana hanadino ny lasa
ratsy rehetra
MIFONA AHO
 Mba hitandrovana ny fihavanana dia ilaina ny
fiombonana matetika sy fandinihana tsara ny tanjona
iombonana. Tsara raha atao isankerinandro izany
fotoana izany, iarahana mivavaka sy midinidinika eo
anivon’ny ankohonana ka hifampizarana ny olana sy ny
zava-manahirana rehetra.
 Io koa no fotoana handinihana ny làlana tokony hizorana
hahatratrarana ny tanjona iombonana. Raisina an-
tsoratra avokoa ny zavatra resahana rehetra mandritra
ny fivoriana kely isan-kerinandro io, ary atao mazava
tsara mba hovakiana aty aoriana.
Fiombonana matetika
• Raha mety dia arahina fiaraha-
misotro ranom-boakazo kely isam-
bolana izany fotoana izany ary
hifampizarana ny manta sy ny
masaka koa. Izany no tokony atao
mba hampirindra ny fiaraha-monina
sy hiarovana ny fifankatiavana eo
amin’ny ankohonana sy ny
manodidina.
• Ary aza adino ny mivavaka
mandrakariva mba ho tonga Olona
araka ny Fanahy Masina. Voninahitra ho an’i Jehovah

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEFiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHFiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
 
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierraEl milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
 

Toro hevitra 5 hihazonana ny fifankatiavana tsy ho rava

  • 1. Toro-hevitra 5 hihazonana ny fifankatiavana tsy ho rava Mihavana amin’ny olona rehetra
  • 2. Mahafinaritra ery rehefa mahazo namana vaovao, na rehefa mifandray tsara amin’ny olona, na havana izany, na namana, na ny vinanto sy ny rafozana, na ny mpianakavin’ny finoana, na olom-pantatra eo amin’ny fiaraha-monina; ary amin’izany dia tokony hiezaka hitandro ny fihavanana mba ho tsara hatrany hatrany. Fampidirana
  • 3. Ny olana nefa dia, tsy mora foana akory ny mitandro fifankatiavana amin’ny olona tiana sy ny manodidina toy izany. Mety ho maro no antony mahasarotra izany, toy ny tsy fitovian’ny zavatra tiana atao, na ny tsy fitovian’ny fomba fanao, ny fomba fijery, ny fisainana ary ny fihevitra.
  • 4. Izany fahasamihafana rehetra izany matetika dia mitarika adiady madinika, izay mety mihafara amin’ny fifamaliana sy korontana, na dia amin’ireo mpiraitampo sy mpivady efa niray trano nandritry ny taona maro aza. Ary amin’izany, raha be loatra ny ambom-pon’ny tsirairay, sady tsy mahay mifandefitra no tsy maharitra amin’ny fibanjinana ny tanjona iombonana, dia ho rava tanteraka ny fihavanana.
  • 5. Efa fantatra mazava tsara anefa fa ny tanjon’ny devoly dia ny hanakorontana tokantrano sy ny handrava ny fihavanana eo amin’ny mpianakavin’ny finoana. Nefa, raha manana fandeferana sady mifanaja ny tsirairay avy, dia ho voaaro amin’ny fifandirana isika ary ho voatandro ny fihavanana. Inona àry no tokony hatao mba hitandrovana ny fihavanana?
  • 6. Mba hanjakan’ny fifankatiavana, ny zavatra tokony hatao voalohany dia mila manana fitoniana tanteraka ny tsirairay avy. Na inona na inona zavatra mitranga, dia tokony hanana fitonian-tsaina sy tsy hisendaotra, ary tokony ho tony mandrakariva ny fo sy ny saina. Mety misy fomba maro azo atao hitandrovana ny fihavanana sy hampirindrana ny fiaraha-monina; nefa, ny 5 amin’ireny no ho dinihintsika: Ny tokony hatao mba hampirindra ny fihavanana
  • 7. • Tokony ho tony mandrakariva • Miresaha amin’ Andriamanitra • Fadio ny teny tsy voahevitra • Raha toa ka feno loatra ny fo dia mialà kely • Fiombonana matetika
  • 8. Fanirian’ny olona rehetra ny hanana fifandraisana mahafinaritra amin’ny manodidina azy. Ny olana anefa dia matetika isika no mihevitra fa ireny namantsika ireny dia Olona Tanteraka ka tsy manana fahalemena. Noho izany, raha vao mahafantatra ny fahalemeny isika, dia tsy haintsika ny miatrika ny fifandirana aterak’izany. Izany tsy fahazakana ny fahalemen’ny namana izany no mahatonga fifamaliana sy ady, ary mety hahatonga fisarahana mihitsy aza aty aoriana. Tokony ho tony mandrakariva
  • 9. • Mba hitandrovana ny fihavanana, ny tokony hatao voalohany dia manàna fitoniana. • Tokony hiezaka isika mba tsy hifanditra ary tsy mifamaly mihitsy. • Tadidio tsara fa tsy misy olona tanteraka amin’ny fahatsarana na dia iray aza. • Manàna fitoniana ary fadio ny mihevitra fisarahana
  • 10. Ankoatr’izany, amin’ny mahaolona mitafy nofo antsika dia mety hanao fihetsika tsy voahevitra indraindray, ka mahatonga ny fitondrantena ho tsy araky ny tokony ho izy. Noho izany, tadidio fa tsy misy tanteraka akory ary anisan’izany io namantsika io. Fanampin’izany, ny faneriteren’ny zavatra atrehina andavanandro, miampy ny fanorisorenana avy amin’ny fiaraha-monina dia mety misy fiantraikany amin’ny fomba fisainana sy fihetsika atao.
  • 11. Noho izany, manàna fitoniana ary tandremo ny lela mba tsy hiteny na inona na inona mandritra ny fotoana mahasosotra, fa vao mainka haharatsy ny toe-draharaha izany fihetsika izany. Ny tokony hatao dia mitony ary miezaka mahalala ny anton-javatra rehetra ao anatin’ny filaminana tanteraka.
  • 12. Ezaho koa ny mihevitra am- pilaminana ny ho voka- dratsin’ny korontana ao aoriana kely ao. Tandrovy ny fihavanana tsy ho rava ary banjino ny tanjona iraisana ka ifantohy ny hihazonana ny fihavanana sy filaminana mba hahatratrarana ny tanjona.
  • 13. Nefa, mety ho sarotra amintsika ny ho tony mandrakariva amin’ny maha olombelona antsika. Mila mangataka amin’ Andriamanitra mandritry ny fotoana isian’ny fifandirana mba ho tony sy hisian’ny filaminana eo anivon’ny ankohonana. Tsy ho haintsika mihitsy ny hanova antsika ho tony raha tsy eo ny Fanahin’Andriamanitra izay manampy antsika hahatanteraka izany. Mila madio am-po mandrakariva ary mifamela heloka isika amin’izany. Miresaha amin’Andriamanitra
  • 14. Fanampin’izany, dia mila mahay manadino ny toe- javatra lasa taloha koa, ary tsy tokony hitana am-po ny zavatra lasa sy ny adiady lasa tany aloha tany; fa tokony hangataka amin’ Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy mba hanadio ny fontsika sy hahaizantsika hamela heloka. Raha tojo olana sy korontana koa dia matetika isika no mandeha mitantara ny zavamisy amin’ny namana na ny havana akaiky. Marina fa manome torohevitra antsika izy ireny ary miezaka manome vahaolana. Mety mahomby ilay torohevitra; nefa mety tsy mahomby koa indraindray.
  • 15. Nefa, raha tojo olana isika, dia Andriamanitra irery ihany no afaka manome vahaolana tena mahomby ho antsika; noho izany, Izy no tokony hilazantsika voalohany ny zava-misy. Ahoana no hahatanteraka izany? • Mandritra ilay ady sy fifandirana dia mivavaha avy hatrany.
  • 16. • Antsoy Andriamanitra Ray hanatrika ny fotoana rehetra ary Izy no hanampy antsika hanana fitoniana sy hitandro ny teny aloaky ny vavantsika mba tsy haharava ny fihavanana ary tsy handratra ny hafa izany. • Miresaha moramora amin’ Andriamanitra, kanefa tsy atao ren’ny olona ny feo sady tsy asehoseho koa izany fivavahana moramora izany. Tsy mila miala ilay toerana akory mandritra io fotoana io, fa mihaino tsara izay lazain’ilay namana na havana mifanditra amintsika koa.
  • 17. • Jehovah Andriamanitra irery ihany, Izay miady ho antsika ,no hahaizantsika mitandro ny fihavanana amin’ny manodidina antsika tsy ho rava mandritry ny fotoan-tsarotra toy izany. • Mila mivavaka isanandro isika mba hialana amin’ny toetra mahanofo, ary mba ho tonga olom-baovao manana fahatanterahana ara-panahy araka ny endrik’ Andriamanitra.
  • 18. Raha tojo fifandirana amin’ny namana isika, dia fadio ny manao teny tsy voahevitra izay mandratra sy mankarary saina ny hafa. Tandremo tsara mba ho teny feno fanajana hatrany no hatao, ary tandrovy ny fihavanana mba tsy ho rava na inona na inona mety ho anton’ ny fifandirana. Fanampin’izany, fadio ny mitsikera na manendrikendrika, izany hoe ny miteny na mihevitra hoe “Ianao no nahatonga izao olana izao”. Fadio ny teny tsy voahevitra
  • 19. Ny teny mandratra na ny fitsikerana izay atao mandritra ireny ady na fifandirana ireny dia toy ny sabatra manindrona ny fon’ izay mihaino antsika. Ny ratra vokatry ny fifame- lezana amin’ny ady dia mamela holatra tsy maty; ary ny ratram-po vokatry ny teny mahery sy ny teny tsy voahevitra mandritry ny fifamaliana dia sarotra sitranina ary tsaroana matetika.
  • 20. Ny teny lazaintsika dia, na handratra ny fon’izay mihaino azy, na hankahery sy hanasitrana ny fony. Noho izany, tokony tsy hatao na oviana na oviana ny manao teny mandratra, na manompa, na maneso, na mitsikera na manendrikendrika mba hihazonana ny fifankatiavana sy fihavanana tsy ho rava.
  • 21. Feno loatra ny fo rehefa maro loatra ny teny aloaky ny vava ary rehefa tsy manana fandeferana isika. Tsy haintsika intsony ny mitandrina ny fihetseham-po ary mety hampiasa fihetsika tsy voahevitra koa aza mandritra io fotoana io. Feno fahatezerana mirehitra ny fo, ary mifangaro avokoa ny fankahalana, ny tahotra sy ny tebiteby ary ny fahadisoam-panantenana. Raha toa ka feno loatra ny fo dia mialà kely
  • 22. Vokatr’izany, ilay fihetseham-po ratsy feno fahatezerana no lasa mibaiko ny saina, ary tsy te hanohy ny fifandraisana amin’ilay olona nandiso fanantenana na nahatonga ny fanafintohinana intsony isika. Nefa, mba hahaizantsika mifehy izany fihetseham-po izany tsy hibaiko ny saina dia izao no atao:
  • 23. • Mandeha misintaka kely miala ilay fifandirana aloha, farafahakeliny antsasakadiny, raha vao tapitra ny fifandirana • Mivavaha amin’I Jehovah Andriamanitra, ary mangataha fahazavan- tsaina hahalalana ny tokony hatao
  • 24. Rehefa tony tsara dia mifanatona ary mifonà amin’ny namanao ka mifampiresaha amim- pahatoniana indray Atao mazava tsara fa “Ny hevitra no ampiadi- ana, ary ny fihavanana dia tsy horavaina” Mifamelà heloka ary manàna fahavononana hanadino ny lasa ratsy rehetra MIFONA AHO
  • 25.  Mba hitandrovana ny fihavanana dia ilaina ny fiombonana matetika sy fandinihana tsara ny tanjona iombonana. Tsara raha atao isankerinandro izany fotoana izany, iarahana mivavaka sy midinidinika eo anivon’ny ankohonana ka hifampizarana ny olana sy ny zava-manahirana rehetra.  Io koa no fotoana handinihana ny làlana tokony hizorana hahatratrarana ny tanjona iombonana. Raisina an- tsoratra avokoa ny zavatra resahana rehetra mandritra ny fivoriana kely isan-kerinandro io, ary atao mazava tsara mba hovakiana aty aoriana. Fiombonana matetika
  • 26. • Raha mety dia arahina fiaraha- misotro ranom-boakazo kely isam- bolana izany fotoana izany ary hifampizarana ny manta sy ny masaka koa. Izany no tokony atao mba hampirindra ny fiaraha-monina sy hiarovana ny fifankatiavana eo amin’ny ankohonana sy ny manodidina. • Ary aza adino ny mivavaka mandrakariva mba ho tonga Olona araka ny Fanahy Masina. Voninahitra ho an’i Jehovah