SlideShare a Scribd company logo
1 of 20
Download to read offline
Janoary ve no volana voalohany amin’ny taona?
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Raha ny Dictionnaire Larousse, édition 1971,
no jerena dia izao no voarakitra ao:
• Janvier (Latin, Januarius) : Premier mois de l’année
depuis la réforme de Numa, qui le fit passer du
ONZIEME rang au PREMIER rang.
• Raha adika izany dia milaza fa ny volana Janoary dia
lazaina fa Volana voalohany anatin’ny taona
hatramin’ny fanavaozana nataon’i Numa, izay
nanova NY VOLANA FAHA-IRAIKAMBINIFOLO (#11)
HO VOLANA VOALOHANY (#1).
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Numa Pompilius (716
– 673 taona talohan’i
Kristy), mpanjaka
faharoa malaza
indrindra Romana,
izay nanao
fandaminana ny
Fivavahana Romana
no nanavao ny
kalendrie Egyptiana,
ka nantsoina hoe
“Reforme de Numa”.
Numa Pompilius, portrait imaginaire
du Promptuarii Iconum
Insigniorum de Guillaume Rouillé - 1553
•Tamin’izany fotoana nanjakany izany dia
efa nanomboka niova ho Janoary ny
taom-baovao tamin’ny firenena sasany,
raha tokony ho eo anelanelan’ny volana
Martsa sy Aprily araka ny Soratra Masina
(Eksodosy 12:2). Avy eo dia ny Pape Jules Ier
(1912-1978) indray no nanavao io kalendrie
nataon’i Numa io, ka nampiasain’ny
firenena maro izany, ary nantsoina hoe
« kalendrie Julien.» hatramin’izany dia efa
niova ho Janoary ny volana voalohany
amin’ny taona, ka mifampiarahaba
fatratra ny olona.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Manazava toy izao ny boky iray:
“Tamin’ny taona 46 A.D. (izany hoe,
taorian’ny nahaterahan’I Kristy), dia
nanapa-kevitra ny Emperora Jules César
fa ny 1er Janvier dia taom-baovao, ka
manokana io andro io ho fanomezam-
boninahitra ho an’i Janus na Janvier
(Janusarius na Ianuarius), Andriamanitry
ny Vavahady sy ny Fanombohana
Romana, izay manana ny laharana
voalohany eo amin’ny finoana Romana,
ary manarakaraka azy i Jupiter sy i
Marspiter.
Sarin’i Janus, ao amin’ny
Musée du Vatican.
(Loharano: Wikipedia)
Avy amin’ny anaran’i Janus no nihavian’ny teny hoe
Janusarius na Ianuarius, na January (Anglisy), Janvier
(Frantsay) na Janoary (Malagasy). Manana loha iray
misy tava roa io andriamanitra Romana io, ny iray
mitodika any aloha, ny iray mitodika any aoriana.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Mbola maro no tsy manaraka ny fotoana sy ny andro
firavoravoana izay voalazan’ny Soratra Masina, dia izay
voatendrin’i Jehovah Andriamanitra. Mety hoe tsy tsy
fahalalana no antony hankalazain’ny olona fatratra izany,
indrindra ireo Kristiana, izay mbola mankalaza ny andron’i
Janus Arius.
 Faharoa, mety hoe efa mahalala ny marina ihany izy ireo,
nefa tsy mahafoy ireo tombontsoa azony mandritry ny
fifampiarahabana taom-baovao izy ireo, ka mihazona sy
mankalaza izany andron-tsampy izany amin’ny fihinanam-be
sy ny fisotroana.
 Ao koa ireo izay efa mahalala ny marina ihany fa malaina
kosa ny hitandrina ny lalàn’i Jehovah amin’ny fankalazana
ny andro firavoravoana voatendry, ka manakalo izany
amin’ny fety firavoravoana tsy araky ny Soratra Masina.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Tamin’ny taona 325: Ny Kaonsily antsoina hoe « Nicée »,
izay notarihin’ny Emperora Constantin, niaraka
tamin’ireo Eveka Katolika 300, no nanapaka fa io
Kalendrie Julien io no ampiasain’ny Fiangonana sy
Fanjakana Romana, miaraka amin’ny fanondroana ireo
fetim-pivavahana isan-tsokajiny sy ny Fanekem-pinoana
nekena, izay nanorenana ny Foto-pinoana Trinite na Telo
Izay Iray.
Anisan’izany koa ny famindrana ny andro fitsaharana
Sabata araky ny Soratra Masina ho andro Alahady (na
Sunday, andron’ny masoandro).
Tamin’ny taona 487 taorian’i Jesosy: Nohamasinin’ny
Papa Felix III ho andro voalohan’ny taona ny
voalohan’ny volana Janoary.
Sarin’ny Trinite
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Tamin’ny taona 1582:
nohavaozin’ny Papa Gregoire XIII
io kalendrie Julien io, rehefa
notoroin’i Lilio mpanandro sady
mpanolon-tsainany izy.
 Izany fahefana izany koa no
nahatonga ny firenena maro sy
fiangonana maro, indrindra fa ny
Kristiana mandraka ankehitriny
hampiasa izany kalandrie izany
sady hankalaza ny andro
voalohany amin’ny volana
Janoary ho andro #1.
Papa Gregoire XIII, 1582
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Ankalazaina eo anivon’ny Eglizy ny voalohan’ny
volana Janoary. Misy ny famafazana ràn’i saint
Janvier sy ireo olomasina hafa eo anivon’ny
Eglizy Romana.
Sary maneho ny famafazana ny ràn’i saint
Janvier nataon’ny cardinal-archevêque de
Naples Crescenzio Sepe tamin’ny 2009.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Fomba fanisam-potoana roa lehibe mifanandrina no hita eto:
ny iray araky ny masoandro sy fomban-tsampy Romana; ny
iray kosa arak’izay voalazan’ny Baiboly . Azo lazaina fa
mpanompo sampy ireo izay mankalaza ny volana Janvier ary
manao ny andro voalohan’izany volana izany ho voalohany
amin’ny taona, satria fankalazana ilay andriamanitra
Romana Janus izay manana loha iray sy tava roa io andro io.
 Nampidirin’ny Eglizy ao amin’ny fiangonana izany mba ho
fomba fanao Kristiana ny mifety sy mifampiarahaba ary
mifanolotra fanomezana rehefa voalohan’ny taona araky ny
kalendrie Julien.
 Izany dia manamafy fa efa tanteraka hatry ny ela ilay
faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela mpaminany,
manambara fa “ilay tandroka kely, izay sady fanjakana ara-
nofo no ara-pivavahana, dia nanova fotoana sy lalàna.”
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Araky ny Soratra Masina Araky ny calendrier ampiasaintsika
Araka ny fanisam-potoan’i
Jehovah Andriamanitra
nahary ny tany sy ny lanitra,
Andriamanitr’i Abrahama sy
Isaka ary Israely, dia ny
volana no natao ho
fotoana. « Nanao ny volana
ho fotoana Izy, Ary ny
masoandro mahalala ny
filentehany. » (Salamo 104:19)
Ny voalohan’ny volana dia
ny tsinam-bolana. Ny
voalohan’ny andro dia
isaina manomboka ny maty
masoandro, ary mifarana ny
ampitso hariva rehefa maty
ny masoandro.
Etsy andaniny kosa, ny andriamanitra
Janus, ny andriamanitra Masoandro
ary ny Mithra izay tompoin’ny
Romana no nahatonga ny fanovana
ny fanisam-potoana hanaraka ny
fomba Romana sy ny fahaterahan’ny
masoandro, izay ankalazaina amin’ny
25 Desambra sy ny 1er Janoary. Ny
andro iray araky ny fanisana
ampiasainy dia manomboka ny
misasakalina ka mifarana ny ampitso
rehefa misasaka ny alina. dia
Andron’ny Bala, masoandro izany ny
1er Janoary araky ny Mythologie
Générale ao amin’ny Larousse, 1935.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Raha ny kalendrie no resahina dia tsara ho fantatra fa misy
karazany maro izy ireny, ka ny sasany amin’ireny dia ny:
 Kalendrie Aztec, izay manaraka fanisam-potoana araky ny
masoandro, ary heverina fa masina
 Kalendrie Silamo, izay manaraka fanisam-potoana araky ny
volana, arahin’ny Arabo sy Musulman
 Kalendrie Tamila, izay ampiasain’ny Karana
 Kalendrie solaire Thai, izay lasa 543 taona alohan’ny kalendrie
Grégorien ny fanisam-potoany
 Kalendrie Romana, izay antsoina koa hoe kalendrie Julien
 Kalendrie Sinoa, izay izay manaraka fanisam-potoana araka
ny volana sy ny masoandro
 Kalendrie Jiosy na Hebraika, izay mirakitra ireo andro
firavoravoana voatendrin’i Jehovah
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Fanamarihana
- Marihina fa ny firenena rehetra, afa-tsy ny Arabo sy Aziatika
sasany dia manaraka ny fanisan’andron’ny kalendrie Grégorien.
- Maro koa ny Kristiana no mankalazana ny fetin’ny andriamanitry
ny vavahady sy fanombohana Janusarius io amin’ny fomba isan-
karazany mandrak’ ankehitriny.
- Ny firenena rehetra dia samy manana ny fanisan-taonany avy.
Raha ny Janvier no voalohan’ny taona amin’ny kalendrie Julien.
Noho izany dia taona 2021 isika izao araka io kalendrie io.
- Ny Karana kosa dia mankalaza ny taona 2073 izao; ny Mozilmana
dia ny taona 1440.
- Ny Jiosy kosa dia eo amin’ny taona 5781 taorian’ny famoronana
izao, araky ny raki-tsoratra Massorette Septante Grika.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Inona no fiantraikan'ny fanovana
kalendrie amin'ny fanarahana ny
lalàna sy didin'i Jehovah? Inona
no maha-zava-dehibe ny fanajana
fotoana eo imason'i Jehovah
 Andriamanitra?« Ary hiteny
hanohitra ny Avo Indrindra izy
sy hampahory ny olo-masin'ny
Avo Indrindra ary hitady
hanova fotoana sy lalàna; ary
hatolotra eny an-tànany ireo
ambara-pahatapitry ny
fetr'andro iray sy ny fetr'andro
roa ary ny antsasaky ny
fetr'andro. » (Daniela 7:25)
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Maro no tsy manaraka ny fotoana sy ny andro
firavoravoana izay voalazan’ny Soratra
Masina, dia izay voatendrin’i Jehovah
Andriamanitra. Mety hoe tsy tsy fahalalana no
antony hankalazain’ny olona fatratra izany,
indrindra ireo Kristiana, izay mbola mankalaza
ny andron’i Janus Arius.
Etsy andaniny, mety hoe efa mahalala ny
marina ihany izy ireo, nefa tsy mahafoy ireo
tombontsoa azony mandritry ny
fifampiarahabana taom-baovao, ka mihazona
sy mankalaza izany andron-tsampy izany
amin’ny fihinanam-be sy ny fisotroana, fety
araka ny fisainan’ny olombelona ihany.
Fahatelo, ao koa ireo izay efa mahalala ny
marina ihany fa malaina kosa ny hitandrina ny
lalàn’i Jehovah amin’ny fankalazana ny andro
firavoravoana voatendry, ka manakalo izany
amin’ny fety firavoravoana tsy araky ny
Soratra Masina.
Nanao ny volana ho fotoana Jehovah Andriamanitra
Ny
fiandohan’
ny andro
 Ny hariva no fiandohan’ny andro, rehefa
maty ny masoandro: « Nisy hariva, nisy
maraina : andro voalohany izany »
Ny andro
voalohany
amin’ny
volana
 Ny andro voalohany amin’ny volana dia
rehefa tsinam-bolana
 Volana Abiba na Nisana 1.
Volana #1
amin’ny
taona
 Ny volana #1 amin’ny taona dia Nisana na
Abiba, manomboka ny tapaky ny volana
Martsa ary mifarana ny tapaky ny Aprily.
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
 Oviana ny Taom-baovaon’i Jehovah?
Nandritra ny taona maro dia nampiasa ny
kalandrie Hebreo (Jiosy) ny Fiangonana
hamaritana ny datin'ny andro
firavoravoana voatendrin'Andriamanitra
isan-taona. Ny kalandrie Hebreo no
manome mazava tsara ireo daty
fanatanterahana izany. Noho izany dia
manohy mampiasa ny tetiandro Hebreo ny
Fiangonana. Oviana àry ny taom-baovaon'i
Jehovah araka ny fanisam-potoanan'i
Jehovah?
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Oviana ny taom-baovaon’i Jehovah?
- Ny 13 Martsa 2021 no 1 Abiba amin’ity
taona ity.
- Ary ny Paska (14 Abiba) dia 27 Mars 2021, tandremana mialoha,
rehefa maty ny masoandro. Ny firavoravoan’ ny Paska hafitoana
kosa dia 15-21 Nisana (28 Mars – 03 Avril)
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Ireto dia Soratra Masina mirakitra ny fotoana sy fanisam-
potoana:
•Genesisy 1 :14-19, I Samoela 20 :27, Eksodosy 12 :1-2,
Estera 3 :7, Salamo 104:19, Daniela 7:24-25
Ny fanisam-potoana araka ny Baiboly
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
Raha mila fanazavana fanampiny, azonao ato ny mamaky ny
lahatsoratra voasoratra momba ny niandohan’ny taom-baovao:
 Boky mirakitra ny Tantara Romana: Histoire Romaine à l'usage
de la jeunesse. Revue et complétée par l'Abbé Courval. Librairie
Poussielgue. 1887
 Larousse, Dictionnaire, 1971, Myhtologie Générale. Larousse, 1935,
page 184
 The World Book Encyclopedia, 1084, tome IV, p.237
 Grand Larousse 1971 – Encyclopedie Général Quillet, 1947, tome III,
page 19-20.
 The World Book Encyclopedia, 1982, tome III, page 237.
 Kalendrie Julien (araka ny fanapahan’i Jules César) (wikipedia)
 Kalendrie Romain (wikipedia)
 Volana Janvier (wikipedia)
 Andriamanitra Romana Janus (wikipedia)
 Mithra (wikipedia) Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar
https://fiamiray.blogspot.com
Fiangonan'Andriamanitra Miray,
United Church of God Madagascar

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfFiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEFiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETFiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Coquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptxCoquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptx
 
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdfMy Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
 
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
 
Fiami radio.pdf
Fiami radio.pdfFiami radio.pdf
Fiami radio.pdf
 
Filazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdfFilazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdf
 
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana BaibolyAmbasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
 
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 

Taom-Baovaon'i Jehovah

  • 1. Janoary ve no volana voalohany amin’ny taona? Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 2. Raha ny Dictionnaire Larousse, édition 1971, no jerena dia izao no voarakitra ao: • Janvier (Latin, Januarius) : Premier mois de l’année depuis la réforme de Numa, qui le fit passer du ONZIEME rang au PREMIER rang. • Raha adika izany dia milaza fa ny volana Janoary dia lazaina fa Volana voalohany anatin’ny taona hatramin’ny fanavaozana nataon’i Numa, izay nanova NY VOLANA FAHA-IRAIKAMBINIFOLO (#11) HO VOLANA VOALOHANY (#1). Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 3. Numa Pompilius (716 – 673 taona talohan’i Kristy), mpanjaka faharoa malaza indrindra Romana, izay nanao fandaminana ny Fivavahana Romana no nanavao ny kalendrie Egyptiana, ka nantsoina hoe “Reforme de Numa”. Numa Pompilius, portrait imaginaire du Promptuarii Iconum Insigniorum de Guillaume Rouillé - 1553 •Tamin’izany fotoana nanjakany izany dia efa nanomboka niova ho Janoary ny taom-baovao tamin’ny firenena sasany, raha tokony ho eo anelanelan’ny volana Martsa sy Aprily araka ny Soratra Masina (Eksodosy 12:2). Avy eo dia ny Pape Jules Ier (1912-1978) indray no nanavao io kalendrie nataon’i Numa io, ka nampiasain’ny firenena maro izany, ary nantsoina hoe « kalendrie Julien.» hatramin’izany dia efa niova ho Janoary ny volana voalohany amin’ny taona, ka mifampiarahaba fatratra ny olona. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 4. Manazava toy izao ny boky iray: “Tamin’ny taona 46 A.D. (izany hoe, taorian’ny nahaterahan’I Kristy), dia nanapa-kevitra ny Emperora Jules César fa ny 1er Janvier dia taom-baovao, ka manokana io andro io ho fanomezam- boninahitra ho an’i Janus na Janvier (Janusarius na Ianuarius), Andriamanitry ny Vavahady sy ny Fanombohana Romana, izay manana ny laharana voalohany eo amin’ny finoana Romana, ary manarakaraka azy i Jupiter sy i Marspiter. Sarin’i Janus, ao amin’ny Musée du Vatican. (Loharano: Wikipedia) Avy amin’ny anaran’i Janus no nihavian’ny teny hoe Janusarius na Ianuarius, na January (Anglisy), Janvier (Frantsay) na Janoary (Malagasy). Manana loha iray misy tava roa io andriamanitra Romana io, ny iray mitodika any aloha, ny iray mitodika any aoriana. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 5.  Mbola maro no tsy manaraka ny fotoana sy ny andro firavoravoana izay voalazan’ny Soratra Masina, dia izay voatendrin’i Jehovah Andriamanitra. Mety hoe tsy tsy fahalalana no antony hankalazain’ny olona fatratra izany, indrindra ireo Kristiana, izay mbola mankalaza ny andron’i Janus Arius.  Faharoa, mety hoe efa mahalala ny marina ihany izy ireo, nefa tsy mahafoy ireo tombontsoa azony mandritry ny fifampiarahabana taom-baovao izy ireo, ka mihazona sy mankalaza izany andron-tsampy izany amin’ny fihinanam-be sy ny fisotroana.  Ao koa ireo izay efa mahalala ny marina ihany fa malaina kosa ny hitandrina ny lalàn’i Jehovah amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana voatendry, ka manakalo izany amin’ny fety firavoravoana tsy araky ny Soratra Masina. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 6. Tamin’ny taona 325: Ny Kaonsily antsoina hoe « Nicée », izay notarihin’ny Emperora Constantin, niaraka tamin’ireo Eveka Katolika 300, no nanapaka fa io Kalendrie Julien io no ampiasain’ny Fiangonana sy Fanjakana Romana, miaraka amin’ny fanondroana ireo fetim-pivavahana isan-tsokajiny sy ny Fanekem-pinoana nekena, izay nanorenana ny Foto-pinoana Trinite na Telo Izay Iray. Anisan’izany koa ny famindrana ny andro fitsaharana Sabata araky ny Soratra Masina ho andro Alahady (na Sunday, andron’ny masoandro). Tamin’ny taona 487 taorian’i Jesosy: Nohamasinin’ny Papa Felix III ho andro voalohan’ny taona ny voalohan’ny volana Janoary. Sarin’ny Trinite Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 7.  Tamin’ny taona 1582: nohavaozin’ny Papa Gregoire XIII io kalendrie Julien io, rehefa notoroin’i Lilio mpanandro sady mpanolon-tsainany izy.  Izany fahefana izany koa no nahatonga ny firenena maro sy fiangonana maro, indrindra fa ny Kristiana mandraka ankehitriny hampiasa izany kalandrie izany sady hankalaza ny andro voalohany amin’ny volana Janoary ho andro #1. Papa Gregoire XIII, 1582 Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 8. Ankalazaina eo anivon’ny Eglizy ny voalohan’ny volana Janoary. Misy ny famafazana ràn’i saint Janvier sy ireo olomasina hafa eo anivon’ny Eglizy Romana. Sary maneho ny famafazana ny ràn’i saint Janvier nataon’ny cardinal-archevêque de Naples Crescenzio Sepe tamin’ny 2009. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 9.  Fomba fanisam-potoana roa lehibe mifanandrina no hita eto: ny iray araky ny masoandro sy fomban-tsampy Romana; ny iray kosa arak’izay voalazan’ny Baiboly . Azo lazaina fa mpanompo sampy ireo izay mankalaza ny volana Janvier ary manao ny andro voalohan’izany volana izany ho voalohany amin’ny taona, satria fankalazana ilay andriamanitra Romana Janus izay manana loha iray sy tava roa io andro io.  Nampidirin’ny Eglizy ao amin’ny fiangonana izany mba ho fomba fanao Kristiana ny mifety sy mifampiarahaba ary mifanolotra fanomezana rehefa voalohan’ny taona araky ny kalendrie Julien.  Izany dia manamafy fa efa tanteraka hatry ny ela ilay faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela mpaminany, manambara fa “ilay tandroka kely, izay sady fanjakana ara- nofo no ara-pivavahana, dia nanova fotoana sy lalàna.” Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 10. Araky ny Soratra Masina Araky ny calendrier ampiasaintsika Araka ny fanisam-potoan’i Jehovah Andriamanitra nahary ny tany sy ny lanitra, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, dia ny volana no natao ho fotoana. « Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany. » (Salamo 104:19) Ny voalohan’ny volana dia ny tsinam-bolana. Ny voalohan’ny andro dia isaina manomboka ny maty masoandro, ary mifarana ny ampitso hariva rehefa maty ny masoandro. Etsy andaniny kosa, ny andriamanitra Janus, ny andriamanitra Masoandro ary ny Mithra izay tompoin’ny Romana no nahatonga ny fanovana ny fanisam-potoana hanaraka ny fomba Romana sy ny fahaterahan’ny masoandro, izay ankalazaina amin’ny 25 Desambra sy ny 1er Janoary. Ny andro iray araky ny fanisana ampiasainy dia manomboka ny misasakalina ka mifarana ny ampitso rehefa misasaka ny alina. dia Andron’ny Bala, masoandro izany ny 1er Janoary araky ny Mythologie Générale ao amin’ny Larousse, 1935. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 11.  Raha ny kalendrie no resahina dia tsara ho fantatra fa misy karazany maro izy ireny, ka ny sasany amin’ireny dia ny:  Kalendrie Aztec, izay manaraka fanisam-potoana araky ny masoandro, ary heverina fa masina  Kalendrie Silamo, izay manaraka fanisam-potoana araky ny volana, arahin’ny Arabo sy Musulman  Kalendrie Tamila, izay ampiasain’ny Karana  Kalendrie solaire Thai, izay lasa 543 taona alohan’ny kalendrie Grégorien ny fanisam-potoany  Kalendrie Romana, izay antsoina koa hoe kalendrie Julien  Kalendrie Sinoa, izay izay manaraka fanisam-potoana araka ny volana sy ny masoandro  Kalendrie Jiosy na Hebraika, izay mirakitra ireo andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 12. Fanamarihana - Marihina fa ny firenena rehetra, afa-tsy ny Arabo sy Aziatika sasany dia manaraka ny fanisan’andron’ny kalendrie Grégorien. - Maro koa ny Kristiana no mankalazana ny fetin’ny andriamanitry ny vavahady sy fanombohana Janusarius io amin’ny fomba isan- karazany mandrak’ ankehitriny. - Ny firenena rehetra dia samy manana ny fanisan-taonany avy. Raha ny Janvier no voalohan’ny taona amin’ny kalendrie Julien. Noho izany dia taona 2021 isika izao araka io kalendrie io. - Ny Karana kosa dia mankalaza ny taona 2073 izao; ny Mozilmana dia ny taona 1440. - Ny Jiosy kosa dia eo amin’ny taona 5781 taorian’ny famoronana izao, araky ny raki-tsoratra Massorette Septante Grika. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 13.  Inona no fiantraikan'ny fanovana kalendrie amin'ny fanarahana ny lalàna sy didin'i Jehovah? Inona no maha-zava-dehibe ny fanajana fotoana eo imason'i Jehovah  Andriamanitra?« Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. » (Daniela 7:25) Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 14. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar Maro no tsy manaraka ny fotoana sy ny andro firavoravoana izay voalazan’ny Soratra Masina, dia izay voatendrin’i Jehovah Andriamanitra. Mety hoe tsy tsy fahalalana no antony hankalazain’ny olona fatratra izany, indrindra ireo Kristiana, izay mbola mankalaza ny andron’i Janus Arius. Etsy andaniny, mety hoe efa mahalala ny marina ihany izy ireo, nefa tsy mahafoy ireo tombontsoa azony mandritry ny fifampiarahabana taom-baovao, ka mihazona sy mankalaza izany andron-tsampy izany amin’ny fihinanam-be sy ny fisotroana, fety araka ny fisainan’ny olombelona ihany. Fahatelo, ao koa ireo izay efa mahalala ny marina ihany fa malaina kosa ny hitandrina ny lalàn’i Jehovah amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana voatendry, ka manakalo izany amin’ny fety firavoravoana tsy araky ny Soratra Masina.
  • 15. Nanao ny volana ho fotoana Jehovah Andriamanitra Ny fiandohan’ ny andro  Ny hariva no fiandohan’ny andro, rehefa maty ny masoandro: « Nisy hariva, nisy maraina : andro voalohany izany » Ny andro voalohany amin’ny volana  Ny andro voalohany amin’ny volana dia rehefa tsinam-bolana  Volana Abiba na Nisana 1. Volana #1 amin’ny taona  Ny volana #1 amin’ny taona dia Nisana na Abiba, manomboka ny tapaky ny volana Martsa ary mifarana ny tapaky ny Aprily. Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 16.  Oviana ny Taom-baovaon’i Jehovah? Nandritra ny taona maro dia nampiasa ny kalandrie Hebreo (Jiosy) ny Fiangonana hamaritana ny datin'ny andro firavoravoana voatendrin'Andriamanitra isan-taona. Ny kalandrie Hebreo no manome mazava tsara ireo daty fanatanterahana izany. Noho izany dia manohy mampiasa ny tetiandro Hebreo ny Fiangonana. Oviana àry ny taom-baovaon'i Jehovah araka ny fanisam-potoanan'i Jehovah? Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 17. Oviana ny taom-baovaon’i Jehovah? - Ny 13 Martsa 2021 no 1 Abiba amin’ity taona ity. - Ary ny Paska (14 Abiba) dia 27 Mars 2021, tandremana mialoha, rehefa maty ny masoandro. Ny firavoravoan’ ny Paska hafitoana kosa dia 15-21 Nisana (28 Mars – 03 Avril) Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 18. Ireto dia Soratra Masina mirakitra ny fotoana sy fanisam- potoana: •Genesisy 1 :14-19, I Samoela 20 :27, Eksodosy 12 :1-2, Estera 3 :7, Salamo 104:19, Daniela 7:24-25 Ny fanisam-potoana araka ny Baiboly Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar
  • 19. Raha mila fanazavana fanampiny, azonao ato ny mamaky ny lahatsoratra voasoratra momba ny niandohan’ny taom-baovao:  Boky mirakitra ny Tantara Romana: Histoire Romaine à l'usage de la jeunesse. Revue et complétée par l'Abbé Courval. Librairie Poussielgue. 1887  Larousse, Dictionnaire, 1971, Myhtologie Générale. Larousse, 1935, page 184  The World Book Encyclopedia, 1084, tome IV, p.237  Grand Larousse 1971 – Encyclopedie Général Quillet, 1947, tome III, page 19-20.  The World Book Encyclopedia, 1982, tome III, page 237.  Kalendrie Julien (araka ny fanapahan’i Jules César) (wikipedia)  Kalendrie Romain (wikipedia)  Volana Janvier (wikipedia)  Andriamanitra Romana Janus (wikipedia)  Mithra (wikipedia) Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God Madagascar https://fiamiray.blogspot.com