SlideShare a Scribd company logo
1 of 22
Inona no
Valisoa ho
an’Izay
Maharesy
sy
Maharitra
amin’ny
Finoana?
Zava-Miafina ny Fanjakan’Andriamanitra
• Zava-miafina ny fanjakan'Andriamanitra ary amin’ny fanoharana
no nitorian’i Jesosy Kristy ny momba izany.
• Mila manana faharetana sy fanetrentena izay mikatsaka izany.
• « Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana
no fanoharana no itenenanao aminy? » (Matio 13:10)
• « Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela*
hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny
kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio
13:11)
• « Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany
fanoharana izany. » (Lioka 8:9)
• « Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny
amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia
fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa
tsy hahafantatra (Isaia 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lioka 8:10)
Izay Miavonavona dia ho Diso Làlana
• « Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe:
Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary
mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. » (Isaia
6:9)
• « Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny
sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony,
Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho
sitrana. » (Isaia 6:10)
• « Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao
amin'ny tany; » (Isaia 6:12)
Nefa Izay Maharitra amin’ny Finoana no Handova
FiainanaMandrakizay
« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana
voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa
ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy
arivo taona. » (Apokalypsy 20:6)
Jesosy Kristy no Manana ny Fanalahidin’ny
Fiainana Mandrakizay
• Jesosy Kristy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.
• « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »
(Jaona 14:6)
• Jesosy no manana ny fanalahidy hahazoan’ny olo-masina miditra sy
mandova ny fanjakan’Andriamanitra.
• Jesosy Kristy niteny hoe, « Izaho Izay Voalohany sy Farany, dia Ilay
velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay
mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] » (Apokalypsy 1:18)
• Iwy koq no masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i
Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy
mamoha. » (Apokalypsy 3:7)
Izay Maharesy no Handova ny Fanjakan’
Andriamanitra
• Isika no tempolin’Andriamanitra, ary tokony hiezaka isanandro
hitady fahamasinana sy fahamarinana, hitoetra amin’ny finoana.
• Devoly sy Satana, fahavalon’Andriamanitra, dia milofo mamitaka ny
olona mba tsy hahalalany momba an’Andriamanitra sy ny planina
nataony hamonjena ny ny olona.(1Petera 5:8)
• Miady mafy Satana mba tsy hahatanteraka ny famerenana indray
ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
• Noho izany, misy ady mafy atrehin’ny mpanompon’Andriamanitra
isanandro. Ao koa ireo loza sy fahoriana be eo amin’ny fiaraha-
monina misy azy.
• Nefa, Jesosy Kristy no efa naharesy ireny, ary izay rehetra mino Azy
dia haharesy tahaka Azy koa.
• Jesosy dia hanome valisoa ho an’izay maharesy, ary hitafy tsi-
fahalovana sy ny tsi-fahafatesana koa izy.
(1 Korintiana 15:53-54, Apokalypsy 2 sy 3)
Fahafatesana Mandrakizay kosa No
Anjara Lovan’ny Tsy Mino
• Ny ratsy fanahy sy izay rehetra tsy mino Ireo no
handova fahafatesana sy fahalòvana.
• « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny
mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny
mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny
mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao
anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no
fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
• Ireo no tsy hahazo hiditra ny
Fanjakan’Andriamanitra:
• « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy
ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny
mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady
mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
Toetoetry ny Fiangonana Efesosy (Apo 2: 1-7)
« [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no
lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady
mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:1)
• « Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny
tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha tœtra izay
milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga
izy; » (Apokalypsy 2:2) « ary manana faharetana ianao ka niaritra noho
ny anarako sady tsy reraka. » (Apokalypsy 2:3)
• « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao
voalohany ianao. » (Apokalypsy 2:4)
• « Koa tsarovy izay nitœranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka
manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka
hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitœrany, raha tsy
mibebaka ianao. » (Apokalypsy 2:5)
• « Kanefa izao no tœtranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako
koa. [* Gr. anananao] » (Apokalypsy 2:6)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny
fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny
hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:7)
INONA NO TOKONY HATAON’NY
EFESOSY ARA-PANAHY?
 Mikely aina amin’ny asan’ ny Tompo
 Maharitra amin’ny fanompoana an’
Andriamanitra
 Miaritra ny fanenjehana sy
fanaratsiana, sady tsy reraka
amin’izany
 Tsy mikambana amin’ny mpanao
ratsy sy ny mpanao meloka
 Mifikitra amin’ny fitiavana an’
Andriamanitra sy ny fitiava-namana
 Mibebaha raha toa ka
tsy nahatanteraka izany,
ary mangataha amin’
IIay mihazona ny
kintana fito eny an-
tanany ankavanana
sady mandeha eo
afovoan’ny fanaovan-
jiro volamena fito mba
haharesy ka hahazo
valisoa.
Valisoa
- Ho afaka hihazona ny fanaovan-jiro mba tsy hanalana azy
amin’ny fitoerany ary fahafahana hihinana ny avy amin’ny
hazon’aina, ao amin’ny Paradisan’ Andriamanitra
Toetoetry ny Fiangonana Smyrna (Apo 2:8-11)
« [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna:
Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona
indray: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:8)
• « Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena
ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy,
kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9,
3) » (Apokalypsy 2:9)
• « Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny
sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha tœtra
ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky
hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-
boninahitra fiainana. » (Apokalypsy 2:10)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny
fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [*
Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:11)
Inona no Tokony Hataon’ny
Smyrna Ara-panahy?
 Miaritra fahoriana sy fahantrana
noho ny fitiavana an’ Andriamantra
 Miaritra ny fanenjehana sy ny
fitenenan-dratsy ataon’izay milaza
ny tenany ho « Jiosy » nefa
synagogan’i Satana
 Tsy matahotra fa tokony hiaritra ireo
fampahoriana maro sy fizahan-
toetra
 Mila matoky an’i Jesosy Kristy ho
Tompo sy Mpamonjy hatramin’ny
fahafatesana
 Mibebaha raha toa
ka tsy nahatanteraka
izany, ary
mangataha amin’
IIay Voalohany sy
Farany, Izay efa
maty nefa velona
indray mba
haharesy ka hahazo
valisoa.
Valisoa
Satro-boninahitra fiainana, ary tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa
Toetoetry ny Fiangonana Pergamosy (Apo 2:12-17)
« [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao
no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy
2:12)
• « Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itœran'ny seza fiandrianan'i Satana;
ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia
tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay
novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana. » (Apokalypsy 2:13)
• « Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny
fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana
teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy
hijangajanga. » (Apokalypsy 2:14)
• « Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita
tahaka ny an'ireny. » (Apokalypsy 2:15)
• « Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka
hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. » (Apokalypsy 2:16)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*.
Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny
vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay
mandray azy ihany. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:17)
Inona no Tokony
Hataon’ny Pergamosy
Ara-panahy?
 Mitàna mafy ny filazana
an’i Jesosy araka ny
Soratra Masina
 Tsy mandà ny finoana
an’Ilay maty telo andro sy
telo alina hatramin’ny
fahafatesana
 Tsy manompo sampy sady
tsy mijangajanga
 Miaina sy mivelona araka
ny Tenin’ Andriamantra sy
ny didiny
 Mibebaha raha toa ka tsy
nahatanteraka izany, ary
mangataha amin’ IIay
manana ny sabatra
maranitra roa lela mba
haharesy ka hahazo izany
valisoa izany.
Valisoa
- Mana miafina sy vato fotsy; ary vato dia misy anaram-baovao
voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany
Toetoetry ny Fiangonana Tyatira (Apo2:18-29)
« [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny
Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
[* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:18)
• « Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny
asanao farany dia be noho ny voalohany. » (Apokalypsy 2:19)
• « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny
tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy
hihinana hena naterina tamin'ny sampy. » (Apokalypsy 2:20) « Ary nomeko andro hibebahany izy,
nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apokalypsy 2:21)
• « Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny
fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. » (Apokalypsy 2:22) « Ary
hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no
mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:23)
• « Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba
mahalala ny ataon'ireo hœ "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa
ianareo; » (Apokalypsy 2:24)
• « kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. » (Apokalypsy 2:25)
• « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny
jentilisa; » (Apokalypsy 2:26) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny
fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » (Apokalypsy 2:27) « Ary homeko
azy ny kintana fitarika andro. » (Apokalypsy 2:28)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 2:29)
VALISOA
- Fahefana amin’ny Jentilisa hiandry azy amin’ny tehim-by sy
hanorotoro azy, ary koa Ilay kintana fitarika andro
 Mibebaha raha toa ka tsy
nahatanteraka izany, ary
mangataha amin’ IIay Zanak’
Andriamanitra, Izay manana
maso toy ny lelafo, ary ny
tongony toy ny varahina
manganohano, ary
mandinika ny voa sy ny fo
mba haharesy ka hahazo izany
valisoa izany.
INONA NO TOKONY HATAON’NY
TYATIRA ARA-PANAHY?
 Manao asa fanompoana maro
 Tia an’Andriamantra sy ny
namana
 Mihazona ny finoana an’i Jesosy
 Miaritra fahoriana noho ny
finoana
 Tsy mikambana na mandefitra
amin’ny mpijangajanga sy
mpanompo sampy; tsy mihinana
hena naterina tamin’ny sampy
Toetoetry ny Fiangonana Sardisy (Apo 3:1-6)
• « [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no
lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro
ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr.
eklesia] » (Apokalypsy 3:1)
• « Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy
hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta
tory] [** Na: (tsy hitako)] » (Apokalypsy 3:2)
• « Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy,
ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny
mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-
tory] » (Apokalypsy 3:3)
• « Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny
fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika
Izy. [* Gr. anaranana] » (Apokalypsy 3:4)
• « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny
anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo
anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. » (Apokalypsy 3:5)
• « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny
fiangonana*. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:6)
Inona no Tokony
Hataon’ny Sardisy Ara-
panahy?
 Miambina na miari-tory sy
mivavaka, ka manorina tsara
ny finoana
 Manatanteraka ary mihazona
mafy ny asan’ Andriamanitra
dia ny famantarana rehetra
manaraka izay mino
 Tsy mandoto ny fitafiany
amin’ny sampy sy ny
fijangajangana
Valisoa
- Hitafy ilay lamba fotsy, ary fahafahana mihazona ny anarana ao
amin’ny bokin’ny fiainana, ary koa faneken’i Jesosy Kristy ny anarana
eo anatrehan’ny Ray sy ny anjeliny
 Mibebaha raha toa ka tsy
nahatanteraka izany, ary
mangataha amin’ IIay
manana ny Fanahy
fiton’Andriamanitra sy ny
kintana fito mba haharesy
ka hahazo izany valisoa izany.
Toetoetry ny Fiangonana Filadelfia (Apo 3:1-6)
« [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay
masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy,
ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:7)
• « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy
misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary
tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina,
etc] » (Apokalypsy 3:8)
• « Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy,
kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao
ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. » (Apokalypsy 3:9)
• « Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao
ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho
fizahan-tœtra izay monina ambonin'ny tany. » (Apokalypsy 3:10)
• « Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-
boninahitrao. » (Apokalypsy 3:11)
• « Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo
intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny
tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy
amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. » (Apokalypsy 3:12)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr.
eklesia] » (Apokalypsy 3:13)
Inona No Tokony Hataon’ny
Filadelfia Ara-panahy?
 Miezaka amin’ny asan’ny Tompo
 Mitandrina ny tenin’
Andriamanitra amin’ny
faharetana, maharitra fizahan-
toetra sy ny fakam-panahy
 Tsy mandà ny anaran’i Jesosy
Kristy
 Mitàna mafy ny finoana mba
hihazonana ilay satro-boninahitra
nomen’i Jesosy Kristy
Valisoa
- Hatao andry eo amin’ny tempolin’ Andriamanitra mandrakiza,
ary hosoratan’i Jesosy eo amintsika ny anaran’Andriamanitra sy ny
anaran’ny tanàna masina ary ny anaran’i Jesosy Kristy vaovao
 Mibebaha raha toa ka tsy
nahatanteraka izany, ary
mangataha amin’ IIay
masina, Izay marina, Izay
manana ny fanalahidin’i
Davida, Izay mamoha ka tsy
hisy hanidy, ary manidy ka
tsy misy mamoha mba
haharesy ka hahazo izany
valisoa izany.
Toetoetry ny Fiangonana Laodikia (Apo 3:14-21)
« [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena,
dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra
izao: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:14)
• « Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana
ianao. » (Apokalypsy 3:15)
• « Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; »
(Apokalypsy 3:16) « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-
java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary
mitanjaka; » (Apokalypsy 3:17)
• « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-
karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny
fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » (Apokalypsy 3:18)
• « Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha
Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19) « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka
mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy
Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » (Apokalypsy 3:20)
• « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia
tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza
fiandrianany. » (Apokalypsy 3:21)
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »
(Apokalypsy 3:22)
 Mibebaha raha toa ka
tsy nahatanteraka
izany, ary mangataha
amin’ IIay Amena, dia
Ilay Vavolombelona
mahatoky sy marina,
Izay niandohan’izao
zavatra noharian’
Andriamanitra izao
mba haharesy ka
hahazo izany valisoa
lehibe izany.
Inona no tokony hataon’ny
Laodikia ara-panahy?
 Manao ny asan’ Andriamanitra, izay
famantarana manaraka izay mino,
amin’ny hafanam-po sy finoana
 Miala amin’ny avonavom-panahy sy
fiheveran-tena ho manan-karena sy
mahiratra ary efa manana ny marina
 Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy
Masina sy izay rehetra voalazan’ny
Soratra Masina ho fototry ny finoana
sy fahamarinana ary lalam-
pamonjena
 Mihaino ny feon’ Andriamanitra araka
izay voalazan’ny tenin’ Andriamanitra
Valisoa
- Hiditra ao amintsika Jesosy Kristy, hiaraha-misakafo aminy
isika, ary Izay maharesy no hiaraha-mipetraka amin’i Jesosy eo
ambonin’ny seza fiandrianany
Ilqy dragona mena
miady amin’ilay
vehivavy mitafy
masoandro
Apokalypsy 12:17: « Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny
dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa,
Izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny
filazana an’i Jesosy. »
Apokalypsy 22:13 Izaho no Alfa sy Omega, ny
Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany
fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny
vavahady ho ao an-tanàna. 15 Fa any ivelany ny alika
sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny
mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay
rehetra tia lainga sady mandainga.
Izay matoky hatramin’ny fahafatesana
no hanana fiainana mandrakizay.
Valisoa ho an ny Mino

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfFiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEFiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Coquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptxCoquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptx
 
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdfMy Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
 
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
 
Fiami radio.pdf
Fiami radio.pdfFiami radio.pdf
Fiami radio.pdf
 
Filazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdfFilazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdf
 
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana BaibolyAmbasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
 
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 

Valisoa ho an ny Mino

  • 2. Zava-Miafina ny Fanjakan’Andriamanitra • Zava-miafina ny fanjakan'Andriamanitra ary amin’ny fanoharana no nitorian’i Jesosy Kristy ny momba izany. • Mila manana faharetana sy fanetrentena izay mikatsaka izany. • « Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? » (Matio 13:10) • « Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11) • « Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany. » (Lioka 8:9) • « Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isaia 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lioka 8:10)
  • 3. Izay Miavonavona dia ho Diso Làlana • « Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. » (Isaia 6:9) • « Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana. » (Isaia 6:10) • « Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany; » (Isaia 6:12) Nefa Izay Maharitra amin’ny Finoana no Handova FiainanaMandrakizay « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apokalypsy 20:6)
  • 4. Jesosy Kristy no Manana ny Fanalahidin’ny Fiainana Mandrakizay • Jesosy Kristy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. • « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6) • Jesosy no manana ny fanalahidy hahazoan’ny olo-masina miditra sy mandova ny fanjakan’Andriamanitra. • Jesosy Kristy niteny hoe, « Izaho Izay Voalohany sy Farany, dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] » (Apokalypsy 1:18) • Iwy koq no masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha. » (Apokalypsy 3:7)
  • 5. Izay Maharesy no Handova ny Fanjakan’ Andriamanitra • Isika no tempolin’Andriamanitra, ary tokony hiezaka isanandro hitady fahamasinana sy fahamarinana, hitoetra amin’ny finoana. • Devoly sy Satana, fahavalon’Andriamanitra, dia milofo mamitaka ny olona mba tsy hahalalany momba an’Andriamanitra sy ny planina nataony hamonjena ny ny olona.(1Petera 5:8) • Miady mafy Satana mba tsy hahatanteraka ny famerenana indray ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. • Noho izany, misy ady mafy atrehin’ny mpanompon’Andriamanitra isanandro. Ao koa ireo loza sy fahoriana be eo amin’ny fiaraha- monina misy azy. • Nefa, Jesosy Kristy no efa naharesy ireny, ary izay rehetra mino Azy dia haharesy tahaka Azy koa. • Jesosy dia hanome valisoa ho an’izay maharesy, ary hitafy tsi- fahalovana sy ny tsi-fahafatesana koa izy. (1 Korintiana 15:53-54, Apokalypsy 2 sy 3)
  • 6. Fahafatesana Mandrakizay kosa No Anjara Lovan’ny Tsy Mino • Ny ratsy fanahy sy izay rehetra tsy mino Ireo no handova fahafatesana sy fahalòvana. • « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8) • Ireo no tsy hahazo hiditra ny Fanjakan’Andriamanitra: • « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
  • 7. Toetoetry ny Fiangonana Efesosy (Apo 2: 1-7) « [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:1) • « Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha tœtra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; » (Apokalypsy 2:2) « ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. » (Apokalypsy 2:3) • « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. » (Apokalypsy 2:4) • « Koa tsarovy izay nitœranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitœrany, raha tsy mibebaka ianao. » (Apokalypsy 2:5) • « Kanefa izao no tœtranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] » (Apokalypsy 2:6) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:7)
  • 8. INONA NO TOKONY HATAON’NY EFESOSY ARA-PANAHY?  Mikely aina amin’ny asan’ ny Tompo  Maharitra amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra  Miaritra ny fanenjehana sy fanaratsiana, sady tsy reraka amin’izany  Tsy mikambana amin’ny mpanao ratsy sy ny mpanao meloka  Mifikitra amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiava-namana  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay mihazona ny kintana fito eny an- tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan- jiro volamena fito mba haharesy ka hahazo valisoa. Valisoa - Ho afaka hihazona ny fanaovan-jiro mba tsy hanalana azy amin’ny fitoerany ary fahafahana hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, ao amin’ny Paradisan’ Andriamanitra
  • 9. Toetoetry ny Fiangonana Smyrna (Apo 2:8-11) « [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:8) • « Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) » (Apokalypsy 2:9) • « Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha tœtra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro- boninahitra fiainana. » (Apokalypsy 2:10) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:11)
  • 10. Inona no Tokony Hataon’ny Smyrna Ara-panahy?  Miaritra fahoriana sy fahantrana noho ny fitiavana an’ Andriamantra  Miaritra ny fanenjehana sy ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho « Jiosy » nefa synagogan’i Satana  Tsy matahotra fa tokony hiaritra ireo fampahoriana maro sy fizahan- toetra  Mila matoky an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy hatramin’ny fahafatesana  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay Voalohany sy Farany, Izay efa maty nefa velona indray mba haharesy ka hahazo valisoa. Valisoa Satro-boninahitra fiainana, ary tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa
  • 11. Toetoetry ny Fiangonana Pergamosy (Apo 2:12-17) « [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:12) • « Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itœran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana. » (Apokalypsy 2:13) • « Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga. » (Apokalypsy 2:14) • « Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny. » (Apokalypsy 2:15) • « Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. » (Apokalypsy 2:16) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:17)
  • 12. Inona no Tokony Hataon’ny Pergamosy Ara-panahy?  Mitàna mafy ny filazana an’i Jesosy araka ny Soratra Masina  Tsy mandà ny finoana an’Ilay maty telo andro sy telo alina hatramin’ny fahafatesana  Tsy manompo sampy sady tsy mijangajanga  Miaina sy mivelona araka ny Tenin’ Andriamantra sy ny didiny  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay manana ny sabatra maranitra roa lela mba haharesy ka hahazo izany valisoa izany. Valisoa - Mana miafina sy vato fotsy; ary vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany
  • 13. Toetoetry ny Fiangonana Tyatira (Apo2:18-29) « [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:18) • « Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. » (Apokalypsy 2:19) • « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. » (Apokalypsy 2:20) « Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apokalypsy 2:21) • « Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. » (Apokalypsy 2:22) « Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:23) • « Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hœ "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; » (Apokalypsy 2:24) • « kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. » (Apokalypsy 2:25) • « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apokalypsy 2:26) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » (Apokalypsy 2:27) « Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. » (Apokalypsy 2:28) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 2:29)
  • 14. VALISOA - Fahefana amin’ny Jentilisa hiandry azy amin’ny tehim-by sy hanorotoro azy, ary koa Ilay kintana fitarika andro  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony toy ny varahina manganohano, ary mandinika ny voa sy ny fo mba haharesy ka hahazo izany valisoa izany. INONA NO TOKONY HATAON’NY TYATIRA ARA-PANAHY?  Manao asa fanompoana maro  Tia an’Andriamantra sy ny namana  Mihazona ny finoana an’i Jesosy  Miaritra fahoriana noho ny finoana  Tsy mikambana na mandefitra amin’ny mpijangajanga sy mpanompo sampy; tsy mihinana hena naterina tamin’ny sampy
  • 15. Toetoetry ny Fiangonana Sardisy (Apo 3:1-6) • « [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:1) • « Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)] » (Apokalypsy 3:2) • « Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari- tory] » (Apokalypsy 3:3) • « Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] » (Apokalypsy 3:4) • « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. » (Apokalypsy 3:5) • « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:6)
  • 16. Inona no Tokony Hataon’ny Sardisy Ara- panahy?  Miambina na miari-tory sy mivavaka, ka manorina tsara ny finoana  Manatanteraka ary mihazona mafy ny asan’ Andriamanitra dia ny famantarana rehetra manaraka izay mino  Tsy mandoto ny fitafiany amin’ny sampy sy ny fijangajangana Valisoa - Hitafy ilay lamba fotsy, ary fahafahana mihazona ny anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana, ary koa faneken’i Jesosy Kristy ny anarana eo anatrehan’ny Ray sy ny anjeliny  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito mba haharesy ka hahazo izany valisoa izany.
  • 17. Toetoetry ny Fiangonana Filadelfia (Apo 3:1-6) « [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:7) • « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] » (Apokalypsy 3:8) • « Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. » (Apokalypsy 3:9) • « Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-tœtra izay monina ambonin'ny tany. » (Apokalypsy 3:10) • « Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro- boninahitrao. » (Apokalypsy 3:11) • « Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. » (Apokalypsy 3:12) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:13)
  • 18. Inona No Tokony Hataon’ny Filadelfia Ara-panahy?  Miezaka amin’ny asan’ny Tompo  Mitandrina ny tenin’ Andriamanitra amin’ny faharetana, maharitra fizahan- toetra sy ny fakam-panahy  Tsy mandà ny anaran’i Jesosy Kristy  Mitàna mafy ny finoana mba hihazonana ilay satro-boninahitra nomen’i Jesosy Kristy Valisoa - Hatao andry eo amin’ny tempolin’ Andriamanitra mandrakiza, ary hosoratan’i Jesosy eo amintsika ny anaran’Andriamanitra sy ny anaran’ny tanàna masina ary ny anaran’i Jesosy Kristy vaovao  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha mba haharesy ka hahazo izany valisoa izany.
  • 19. Toetoetry ny Fiangonana Laodikia (Apo 3:14-21) « [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:14) • « Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. » (Apokalypsy 3:15) • « Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; » (Apokalypsy 3:16) « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan- java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; » (Apokalypsy 3:17) • « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan- karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » (Apokalypsy 3:18) • « Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] » (Apokalypsy 3:19) « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » (Apokalypsy 3:20) • « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. » (Apokalypsy 3:21) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] » (Apokalypsy 3:22)
  • 20.  Mibebaha raha toa ka tsy nahatanteraka izany, ary mangataha amin’ IIay Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharian’ Andriamanitra izao mba haharesy ka hahazo izany valisoa lehibe izany. Inona no tokony hataon’ny Laodikia ara-panahy?  Manao ny asan’ Andriamanitra, izay famantarana manaraka izay mino, amin’ny hafanam-po sy finoana  Miala amin’ny avonavom-panahy sy fiheveran-tena ho manan-karena sy mahiratra ary efa manana ny marina  Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina ho fototry ny finoana sy fahamarinana ary lalam- pamonjena  Mihaino ny feon’ Andriamanitra araka izay voalazan’ny tenin’ Andriamanitra Valisoa - Hiditra ao amintsika Jesosy Kristy, hiaraha-misakafo aminy isika, ary Izay maharesy no hiaraha-mipetraka amin’i Jesosy eo ambonin’ny seza fiandrianany
  • 21. Ilqy dragona mena miady amin’ilay vehivavy mitafy masoandro Apokalypsy 12:17: « Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, Izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy. » Apokalypsy 22:13 Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. 14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. 15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. Izay matoky hatramin’ny fahafatesana no hanana fiainana mandrakizay.