Tantaran ny krismasy sy noely.
Inona marina no atao hoe Krismasy na Noely? Ovianan no nanomboka nankalazaina izany? Milaza inona no tena hevitry ny fety? Efa nisy hatramin'ny andron'ny Apostoly sy ny Fiangonana voalohany ve ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy? Tokony hankalazaina ve ny Noely? Inona no antony tokony na tsy tokony hankalazana ny Noely na Krismasy?
2. Taloha elabe, dia nivavaka tamin’andriamanitra maro ny Romana, ary maro
tamin’ireo andriamaniny no avy amin’ ny anaran’ny planeta eny amin’ny
lanitra eny, toy ny:
Saturne, na Saturnalia, (ankalazaina ny 17–23 Desambra)
Jupiter
Mars, andriamanitry ny ady
Mercure
Venus, andriamanitry ny fitiavana, sady renin’ny Romana
Masoandro, na masoandro tsy mety resy
Ny Masoandro sy ny planeta Saturne no nomeny anjara toerana manokana
tamin’ireo.
3. Andriamanitra masoandro
Nanomboka ny taona 217, nihanahazo vahana ny fivavahan’ny
Romana amin’ny masoandro. Isantaona dia mankalaza ny
fahateraham-baovaon’ny « masoandro tsy mety resy » izy ireo.
Inona no nahatonga izany?
Rehefa ririnina dia milatsaka be ny orampanala, ary
ny andro. Takona ny masoandro, ary na dia mazava aza ny
andro, dia tsy misy hafanana.
Lava dia lava ny andro maizina na ny alina, ary fohy ny andro
mazava.
4. Ny fetin’ny Masoandro, sampy Bala
Manalavitra ny tany ny masoandro rehefa ririnina,
malefaka ny hafanana.
Mifarana ny 21 Desambra io fanalaviran’ny
masoandro ny tany io.
Antsoina hoe « Solstice d’Hiver » io andro io, ary
amin’izany no andro farany mahafohy indrindra ny
andro mazava, fa lava dia lava kosa ny andro
na alina.
5. Manomboka ny 22 Desambra dia
mihamanatona ny tany ny
masoandro.
Mihalava ny andro mazava, ary
mihamafana ny andro.
Mihamitsimoka ny zava-maniry izay
voasaron’ny orampanala.
Manomboka eo ny fotoana voalaza
fa ahaterahan’ny masoandro vaovao,
na ny « Masoandro tsy mety resy »,
izay fety lehibe tokoa.
6. Ny fitoriana ny Filazantsara tany Roma
Nanompo sampy sy andriamanitra maro ny
Romana. Nefa nisy koa no lasa Kristiana rehefa
nandre ny Filazantsara ka nino an’i Jesosy.
Talohan’ny taona nanjakan’ny Emperora
Romana Constantin, dia nohenjehina
ny Kristiana. Maro no nampijaliana sy
novetavetaina ary novonoina.
7. Ny Kristianisma tao Roma
Constantine Lehibe no Emperora Romana tamin’ny
306-337. Nanompo sampy sy andriamanitra maro izy
nandritra ny androm-piainany, nefa rehefa ho faty dia
nanaiky nataon’ny Eveka Eusebius batisa.
Constantine Lehibe (taona 306-337) no Emperora
Romana voalohany resy lahatra ka niova ho Kristiana.
taona izy tamin’izay, ary nampiroborobo fatratra ny
fivavahana Kristiana izy.
Ny taona 313 dia nisy filazana lehibe (Edict of Milan)
ho fampitsaharana ny fanenjehana ny Kristiana tao
Roma. Nomena fahafahana malalaka hanompo ny
Andriamaniny ny Kristiana nanomboka teo.
8. Anisan’ny nandray anjara lehibe nahatonga izany Filazana Lehibe izany ny
Eveka Eusebius tao Nicomede, toeram-panjakana Romana.
Rehefa nahazo vahana tao Roma ny Kristianisma, dia nandinika ny momba
an’i Jesosy izy ireo, ary nahalala fa i Jesosy no masoandron’ny fahamarinana,
fahazavan’ izao tontolo izao.
Ny taona 325, nandritra ny Fivoriana Voalohany tao Nice (Premier Conseil de
de Nice), dia nivory niaraka tamin’ny Eveka 300 tao Roma ny Emperora
Romana Constantine lehibe. Ny andinindinin’ny fivoriana dia:
Fanomezana fahefana faratampony ny Papa Katolika Romana.
Fanovana ny andro Sabata izay andro faha-7 ho andro Alahady (andro
1er)
9. Manoloana ny fivavahana amin’ny masoandro tao Roma,
sy ny filazana fa ny masoandro no tsy mety resy, dia
nandinika Soratra Masina ny Eglizy Katolika Romana.
Nahita izy ireo fa i Jesosy no masoandro manazava izao
tontolo izao.
Ny taona 336, dia nanapaka ny Eglizy Katolika Romana
fa:
Hankalazaina ny nahaterahan’i Jesosy
Hatao andro fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy ny
25 Desambra.
Nanomboka ny taona 336, dia mankalaza ny fetin’ny
Noely na Krismasy ny Kristiana, ary lasa iraisan’ny
ankamaroan’ny Kristiana izany fety izany.
10. Ny fetin’ny Adala sy ny Kristianisma
Taonjato faha-5 hatramin’ny Taonjato faha-15.
Nalaza tamin’ny vanim-potoana Moyen Age ny
Fetin’ny Adala (Fetes des Fous na Feast of Fools)
tany Eropa Avaratra. Ny Mpanjakan’ny Adala
(Prince des Sots, na Lord of Misrule) no nitarika ny
fety, ary ny Mpitondra fivavahana sy ny Diakona
mpandray anjara voalohany amin’ny fety.
11. Nalaza tamin’ny vanim-potoana ny
fanaovana tantara an-tsehatra sy ny
fampisehoana eny an-dalambe, ary manao
déguisement.
Misy fotoana aza moa dia natao miendrika
tantara an-tsehatra ny fotoam-pivavahana.
12. Nampifangaroin’izy ireo koa ny fankalazana ny
fetin’ny voalohan’ny volana Janoary amin’ny
calendrier Romana.
Anisan’ny tantara an-tsehatra nampalaza azy ireo
ny fankalazana ny namoràna an’i Jesosy zaza, izay
natao hoe fetin’ny Famoràna.
Nanaovany tantara an-tsehatra toy izany koa ny
fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy, ary miaraka
amin’ny fihinanambe sy fisotroana izany.
13. Ny fisotroana sy fihinanambe ary ny fihirana
eny an-dalambe sy fanaovana akanjo tsy feno,
ary ny déguisement no anisan’ny nampiavaka
ny Fetin’ny Adala.
Noho ny fahitan’ny Kardinaly Odo tao France
ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo
mpanao fety, dia natsahatra ny fankalazana
ny Fetin’ny Adala ny taona 1245.
Mitohy kosa anefa ny fankalazana ny Noely na
Krismasy amin’ny fomba isankarazany.