SlideShare a Scribd company logo
1 of 12
Download to read offline
Iza no tsy mahazo monina ao amin'ny
tabernakelin'Andriamanitra?
Araka ny Salamo nataon'i Davida, toy
izao no toetry ny olona izay sady tsy
tia an‘Andriamanitra no tsy tia ny
namany. Ireny dia tsy hitoetra ao
amin'ny tabernakely na
tendrombohitrao masin'i Jehovah.
▪ Izay tsy manao izay mahitsy ary
manan-tsiny eo imason‘ny olona sy eo
anatrehan’ Andriamanitra
▪ Izay misaintsaina handainga sy hamitaka ny
namany; izay rehetra tsy mandeha amin'ny
fahamarinana ny fony
▪ Izay manendrikendrika amin'ny lelany, sady
faly ery manisy ratsy ny sakaizany
▪ Izay manome voninahitra sy manaja ny
ratsy fanahy
▪ Izay sahy mivadika amin'ny fianianany ka
mamadika ny fahamarinana , satria
maningotra ny tenany na ny fidiram-bolany
sy ny tombontsoany izany fianianany izany
▪ Izay manandra-tena sy mirehareha ary
mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa
amin'ny fiteniny sy fihetsiny
▪ Ary tsy mahay manetri-tena fa
manandratan-tena foana ary mihevitra ny
namany ho zava-poana
▪ Izay faly manao izay hahafa-baraka ny
namany sy ireo izay matahotra an'i Jehovah
ka manao tsinontsinona ireo izay maniry
hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra
• Izay mampahory ireo miharitra noho ny
finoana an'i Jesosy Kristy
▪ Izay faly mampihana ny volany, ary faly
mandray kolikoly hanameloka ny marina.
Izay tsy mitandrina izany dia hangozohozo
mandrakizay ary tsy hahazo hiditra ny
fanjakan' Andriamanitra ary tsy hitoetra
ao amin’ny Tabernakely.
Iza no mahazo mandova ny
fanjakan'Andriamanitra?
Araka ny Salamo nataon'i Davida, toy
izao kosa no hahafantarana ny toetry
ny olona tia an' Andriamanitra sy
mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra.
Izy no mendrika hitoetra ao amin'ny
Tabernakely na ao an-tendrombohitrao
masin'i Jehovah Andriamanitra:
▪ Izay mandeha tsy misy tsiny ary
manao izay mahitsy sy marina
▪ Misaintsaina ny marina ny fony, mitoetra
amin'ny fahamarinana izy
▪ Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady
tsy manisy ratsy ny sakaizany
▪ Tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, fa
mivavaka ho an’ny sakaizany sy manampy azy
▪ Izy tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome
voninahitra ny matahotra an'i Jehovah ka
mitandrina ny lalany sy ny didiny ary
maharitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy
▪ Izay tsy mivadika amin'ny fianianany
amin'ny fahamarinana, na dia maningotra ny
tenany aza izany
▪ Izay manetri-tena ary mifady ny
fireharehana na amin'ny fihetsika na fiteny,
ka miaritra sy mandefitra na amin'ny tsy
rariny aza
▪ Izay tsy mampihana ny volany, fa miantra ny
ny malahelo ary manao ny rariny
▪ Izay tsy manaiky handray kolikoly
hanameloka ny marina.
Izay mitandrina izany no mendrika handova
ny fanjakan'ny lanitra ary dia tsy mba
hangozohozo mandrakizay. Izy no handova ny
“Fiainana Mandrakizay".
FEHINY
Izay olona tsy tia an'Andriamanitra dia tsy
hahazo hitoetra ao amin'ny Tabernakeliny
na ny fanjakany mandrakizay satria tsy
mikatsaka ny fanjakan'ny lanitra izy, fa
mikatsaka ny tombom-barony fotsiny ihany,
sady tsy tia ny namany.
Mifanohitra amin'izany kosa, ireo izay
mitoetra amin'ny fitiavana an' Andriamanitra
sy ny namana, dia maniry mafy hitandrina ny
didy sy lalàn' Andriamanitra ho an’izay tia Azy
sady maharitra amin'ny finoana an'i Jesosy
Kristy. Ireo no handova ny fiainana
mandrakizay ary hitoetra ao amin’ny
Tabernakelin’ Andriamanitra.
Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana
mandrakizay. Haleloia! Amena!

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
 
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierraEl milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
El milenio:El reino de Jesucristo en la tierra
 

Iza no hahazo hitoetra

  • 1. Iza no tsy mahazo monina ao amin'ny tabernakelin'Andriamanitra?
  • 2. Araka ny Salamo nataon'i Davida, toy izao no toetry ny olona izay sady tsy tia an‘Andriamanitra no tsy tia ny namany. Ireny dia tsy hitoetra ao amin'ny tabernakely na tendrombohitrao masin'i Jehovah. ▪ Izay tsy manao izay mahitsy ary manan-tsiny eo imason‘ny olona sy eo anatrehan’ Andriamanitra
  • 3. ▪ Izay misaintsaina handainga sy hamitaka ny namany; izay rehetra tsy mandeha amin'ny fahamarinana ny fony ▪ Izay manendrikendrika amin'ny lelany, sady faly ery manisy ratsy ny sakaizany ▪ Izay manome voninahitra sy manaja ny ratsy fanahy ▪ Izay sahy mivadika amin'ny fianianany ka mamadika ny fahamarinana , satria maningotra ny tenany na ny fidiram-bolany sy ny tombontsoany izany fianianany izany
  • 4. ▪ Izay manandra-tena sy mirehareha ary mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa amin'ny fiteniny sy fihetsiny ▪ Ary tsy mahay manetri-tena fa manandratan-tena foana ary mihevitra ny namany ho zava-poana ▪ Izay faly manao izay hahafa-baraka ny namany sy ireo izay matahotra an'i Jehovah ka manao tsinontsinona ireo izay maniry hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra
  • 5. • Izay mampahory ireo miharitra noho ny finoana an'i Jesosy Kristy ▪ Izay faly mampihana ny volany, ary faly mandray kolikoly hanameloka ny marina. Izay tsy mitandrina izany dia hangozohozo mandrakizay ary tsy hahazo hiditra ny fanjakan' Andriamanitra ary tsy hitoetra ao amin’ny Tabernakely.
  • 6. Iza no mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra?
  • 7. Araka ny Salamo nataon'i Davida, toy izao kosa no hahafantarana ny toetry ny olona tia an' Andriamanitra sy mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra. Izy no mendrika hitoetra ao amin'ny Tabernakely na ao an-tendrombohitrao masin'i Jehovah Andriamanitra: ▪ Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy sy marina
  • 8. ▪ Misaintsaina ny marina ny fony, mitoetra amin'ny fahamarinana izy ▪ Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany ▪ Tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, fa mivavaka ho an’ny sakaizany sy manampy azy ▪ Izy tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah ka mitandrina ny lalany sy ny didiny ary maharitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy
  • 9. ▪ Izay tsy mivadika amin'ny fianianany amin'ny fahamarinana, na dia maningotra ny tenany aza izany ▪ Izay manetri-tena ary mifady ny fireharehana na amin'ny fihetsika na fiteny, ka miaritra sy mandefitra na amin'ny tsy rariny aza ▪ Izay tsy mampihana ny volany, fa miantra ny ny malahelo ary manao ny rariny
  • 10. ▪ Izay tsy manaiky handray kolikoly hanameloka ny marina. Izay mitandrina izany no mendrika handova ny fanjakan'ny lanitra ary dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. Izy no handova ny “Fiainana Mandrakizay".
  • 11. FEHINY Izay olona tsy tia an'Andriamanitra dia tsy hahazo hitoetra ao amin'ny Tabernakeliny na ny fanjakany mandrakizay satria tsy mikatsaka ny fanjakan'ny lanitra izy, fa mikatsaka ny tombom-barony fotsiny ihany, sady tsy tia ny namany.
  • 12. Mifanohitra amin'izany kosa, ireo izay mitoetra amin'ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny namana, dia maniry mafy hitandrina ny didy sy lalàn' Andriamanitra ho an’izay tia Azy sady maharitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy. Ireo no handova ny fiainana mandrakizay ary hitoetra ao amin’ny Tabernakelin’ Andriamanitra. Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Haleloia! Amena!