SlideShare a Scribd company logo
NY PLANIN’NY
FAMONJENA
JERY ANKAPOBENY NY PLANIN’
ANDRIAMANITRA
TENY FAMPIDIRANA
Ny ankamaroan’ireo milaza
ho Kristiana dia mitandrina
izay antsoiny hoe « Fanasan’ny
Tompo », « Lamesa », «
Eokaristia », na izay fanao
mitovy amin’izany, mitarika ho
amin’ny fizarana ny mofo sy
ny divay izay manamarika ny
sorona nataon’i Kristy.
Vitsy amin’izy ireo anefa no
mahazo ny antony anaovany
izany, sady samy hafa koa ny
fanatanterahany azy araka ny
antokom-pivavahana (anara-
piangonana) arahiny.
Io fomba fanao io dia
fahatsiarovana ny DINGANA
VOALOHANY IHANY
amin’ny Planin’Andriamanitra.
Ho an’ny ankabeazan’ny
Kristiana, ireo dingana hafa
rehetra dia tena tsy jerena
akory, koa noho izany dia tena
tsy azony izay dikany. Manana
Planina misy dingana fito
Andriamanitra – toy ny
nampahafantarany zavatra
sasany mifototra amin’ny isa
fito. Hatrany am-boalohany,
Andriamanitra dia namorona
ny andro fito amin’ny
herinandro (Gen 1). Ny andro
fahafito dia nofidiny ho
Sabatany masina (Gen 2:1-3).
Taorian’izay dia nanome ny
Andro masina fito isan-taona
Izy, hampahafantarany ny
Planiny sy ny Tanjony ho
an’ny zanakolombelona (Lev
23). Ao amin’ny Testamenta
Vaovao, dia hitantsika ny
fanoritany ny Fiangonana
FITO ao amin’ny Apokalypsy
(Apo 1:20 ; Apo 2 ; Apo 3).
Azontsika vakina koa fa misy
ny Tombokase FITO,
Trompetra FITO, Loza FITO
farany, ets. Satria ny isa fito
dia mariky ny fahatotontasana
na ny fahatanterahana.
Noho izany, raha azontsika,
toa tsy misy dikany ny
fankalazana
Fetin’Andriamanitra fanao
isan-taona IRAY IHANY, izay
manoritra ny am-pahany iray
fotsiny amin’ny Planiny, fa
HADINOINA kosa ny sisa.
Mba hijerena ankapobeny izay
ho hitantsika amin’ny
antsipiriany, dia ‘ndeha
hodinihina fohy ireo
Fetin’Andriamanitra ara-
panahy FITO isan-taona,
hahazoantsika bebe kokoa ny
Planina sy ny TANJONA
ambaran’izy ireo.
INONA NO
PLANINA
NATAON’I
JEHOVAH
HAMONJENA NY
OLONA?
1)Voalohany,
ankalazaintsika
manetriketrika ny
fijaliana sy ny
fahafatesan’i Kristy
nisolo antsika. Ny
Baiboly dia
miantso izany hoe
« Paska ». Io no
manamarika ny
fankatoavantsika ny tenan’i
Kristy torotoro sy ny rany
latsaka, izay natolony antsika
amin’ny maha Mpamonjy
Azy. Tadidio anefa fa
dingana voalohany amin’ny
Planin’Andriamanitra ihany
io!
2)Manaraka izany, tsy
maintsy MITOMBO
amin’ny fahasoavana sy
fahalalana an’i Jesosy Kristy
isika (2 Pet 3:18), ary
MANARY any ivelan’ny
fiainantsika ny
lalantsika
taloha sy ny
fahazarantsika
manota. Izany
fahaiza-miaina
izay manery
antsika
« handresy »
izany no tantarain’ny
Fetin’ny Mofo Tsy Misy
Masirasira.
3)Fahatelo, isika rehetra
izay mamorona ny
Fiangonana nateraky ny
Fanahy Masina – ny « ondry
vitsy » (Lio 12 :32) – isika
dia « santatra » ihany
amin’ny vokatra ara-panahy
lehibe izay hiseho aorian’ny
Fiverenan’i Kristy. Noho
izany, ny Fety isan-taona
fahatelo, ny Fetin’ny
Pentekosta na Fetin’ny
Voaloham-bokatra, dia
mampiseho fa
tsy misy afa-tsy
vokatra ara-
panahy kely
ihany, no
angonin’Andria
manitra
ankehitriny. Ny
tena marina dia
izao: TSY EO AM-
PANANDRAMANA
« mamonjy » izao tontolo
izao Andriamanitra
ankehitriny. Fa raha izany
fanandramana izany no
ataony, dia olona tsy mino
AN-DAVITRISANY maro,
efa maty hatramin’ny elabe,
ary koa betska toy izany,
mbola velona ankehitriny any
Chine, Inde sy any amin’ny
firenen-kafa maro, no tsy
hahafantatra velively
an’Andriamanitra marina, na
hankatò ny Zanany ho Tompo
sy Mpamonjy !
4)Ny zava-hitranga
amin’ny ANDRO FARANY
dia
tantaraina
ao amin’ny
volana
fahafito
Fahefatra,
ny
Fetin’ny
Trompetra
, (Lev 23:24) dia
mampiseho ny
FIAFARAN’izao tontolo
izao misy fikorontanana
lehibe ary koa ny
Fiverenan’i Kristy eto an-
tany. Ny trompetra ara-
bakiteny dia nampiasaina
tamin’ny andron’ny
Zanak’Isiraely taloha ho
tsofina hampiomanana
rehefa misy ady. Amin’ny
androntsika izao, amin’ny
fotoana faratampon’ny ady
sy fikorontanana eran-
tany, dia hiverina Jesosy
Kristy hamonjy, ary hisy
fitsanganan’ny maty
amin’ny « FITSOFANA
NY TROMPETRA
FARANY » (1 Kor 15:51-
52).
5)Rehefa izany, aoriana
akaikin’ny fiverenan’i Kristy,
Satana dia hofatorana sy
hatsipy ao amin’ny lavaka tsy
hita noanoa, « mba TSY
HAMITAKA NY
FIRENENA INTSONY ».
(Apo 20:3). Noho izany,
rehefa voafatotra i Satana, dia
afaka « hampihavanina », na
“ho tena iray”
amin’Andr
iamanitra
ny olona.
Izany no
tantarain’n
y Fety
ara-
panahy
fahadimy
– Andro Fanavotana.
6)Aorian’ny fiverenan’i
Kristy, Andriamanitra dia
handrotsaka ny Fanahy
Masina amin’ny olona
rehetra, ary hanomboka
hanazava ny fahafantarana
marina ny Planiny lehibe.
Miteny momba izany fotoana
izany Izy, ary milaza hoe :
« Ny tany ho henika ny
fahalalana an'i Jehovah,
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny
ranomasina. » (Isa 11:9).
Izany no ambaran’ny
fitandremantsika am-pifaliana
ny Fety fahenina amin’ny
Planin’Andriamanitra, –
Fetin’ny Tabernakely, na
« Fetin’ny Famoriam-
bokatra » (Eks 34:22).
Ny tetiandron’ny Fety
Masin’Andriamanitra dia
mifototra amin’ny fizaran-
taona fijinjam-bokatra tany
Isiraely. Arak’izay voatondro,
izy ireo dia mitantara fijinjam-
panahy ho an’Andriamanitra.
Amin’ny voalohany, ny vokatra
kely dia ambaran’ny Fetin’ny
“Santa-bokatra” (Jesosy Kristy)
sy ny “Voaloham-bokatra”
(Kristiana amin’ny
fitsanganana voalohany). Ary
amin’ny FARAN’izao andro
izao, ny fijinjam-bokatra lehibe
amin’ny faran’ny taona dia
ambaran’ny « Fetin’ny
Tabernakely » (Fanjakana
arivo taona).
Izao kosa isika dia tonga
amin’ny Fety ara-panahy
fahafito sady farany, izay
nomen’Andriamanitra ny
olony. “Fa inona indray no tsy
mbola mahafeno io Planina
io?” hoy ny fanontanianao.
Aorian’ny fanjakan’i Kristy
arivo taona, dia mbola hisy
olona AN-DAVITRISANY
MARO, maty taloha, izay TSY
NANANA MIHINTSY
tamin’ny androm-piainany,
fotoana NAHAFANTARANY
izay kely indrindra momba
an’Andriamanitra marina, sy
Jesosy Kristy, ary ny Planin’ny
Famonjena. Inona no hanjò ireo
olombelona an-davitrisany
“very” ireo, satria “TSY MISY
FIZAHAN-TAVAN’OLONA”
amin’Andriamanitra? (Rom
2:11).
Ny Fety lehibe fahafito dia
manambara ny fotoana izay
hanokafan’Andriamanitra -
VOALOHANY ny fanahin’ireo
olombelona ireo – mba
hahazoany ny
Tenin’Andriamanitra, sy
hananany fotoana hisoratan’ny
anarany ao amin’ny “bokin’ny
fiainana” (Apo 20:11-12 ».
7)Amin’ny fitandremana
io Fety fahafito io izay
antsoina hoe « Fara-
fivoriana (Lev 23:36) na
Andro lehibe farany » (Jao
7:37), no maha feno ny
fahalalantsika ny sarin’ny
PLANINA nataon’ny
Mpamorona hidiran’ny
olombelona ao amin’ny
Fianakaviany na Fanjakany.
Ny fanatanterahana ny
dingana rehetra amin’io
Planina io dia manomboka
amin’ny fanekentsika an’i
Kristy ho Mpamonjy, ka
hatramin’ny fiverenany, ary
mitohy hatramin’ny Andro
lehibe farany, rehefa manana
fotona hahavonjy azy ny
olombelona REHETRA.
Ireo Fotoam-pivavahana
voatendrin’i
Jehovah ireo
dia sarin’ny
Planin’Andria
manitra
TOKOA.
Noho izany, ny fetim-
pivavahana hafa avy amin’ny
fanompoan-tsampy, izay
nampidirin’i Satana tamin-
kasomparana sy fitaka ao
amin’ny fiangonana dia tena
somonga ratsy mihitsy. Ny
marina dia izao, mivavaka
amin’ny andriamani-tsi-izy sy
Kristy sandoka ireo fiangonana
ireo, ary manosika ny olona
hanaiky filazantsara diso, izay
mifanohitra mivantana amin’ny
hafatra marina notorin’i Jesosy
Kristy sy ny Apostoly !
Ireo Fety fito ireo – ny roa
aminy maharitra fito andro, ary
ny dimy maharitra indray andro
ihany – dia misy andro sivy
ambin’ny folo isan-taona ny
fitambarany. Amin’ireo andro
sivy ambin’ny folo ireo, ny fito
dia fitsaharana manokana na
“Sabata”. Ireo Sabata fito isan-
taona ireo – izay antsoina hoe
koa « Fivoriana
Masin’Andriamanitra isan-
taona » - na « Andro
Masin’Andriamanitra isan-
taona », dia ireto avy : ny
Paska, ny Mofo Tsy Misy
Masirasira, ny Pentekosta, ny
Fitsofana Trompetra, ny Andro
Fanavotana, ny Tabernakely,
ary ny Fara-Fivoriana (antsoina
hoe koa Andro Fahavalo
amin’ny Tabernakely).
Fotoan’ireo Fivoriana
Masina tsirairay isan-
taona
« Ny amin'ny fotoam-
pivavahana voatendrin'i
Jehovah, izay hantsoinareo ho
fivoriana masina, dia izao no
izy: » (Lev 23:2)
« Henemana no hanaovana
raharaha; fa ny andro fahafito
dia tena andro fitsaharana, dia
fivoriana masina; aza manao
raharaha akory ianareo, fa
Sabata ho an'i Jehovah eny
amin'izay fonenanareo rehetra
izany. » (Lev 23:3)
« Izao no fotoam-pivavahana
voatendrin'i Jehovah, dia
fivoriana masina hantsoinareo
amin'ny fotoany avy: » (Lev
23:2, 4, 37)
 Paska : andro Faha 14
Nisana, rehefa hariva.
 Mofo Tsy Misy
Masirasira : andro Faha 15
hatramin’ny faha 21 Nisana.
Misy andro fitsaharana roa:
faha 15 sy faha 21 Nisana.
 Pentekosta: andro Faha
50 isaina manomboka ny
ampitson’ny Sabata ao
anatin’ny herinandron’ny
Paska.
 Fitsofana trompetra:
andro Voalohan’ny volana
faha 7.
 Andro Fanavotana:
andro Faha 10 amin’ny
volana faha 7.
 Tabernakely: andro Faha
15 hatramin’ny faha 21
amin’ny volana faha 7.
Fivoriana masina amin’ny
andro faha 15.
 Fara-fivoriana: andro
Faha 22 amin’ny volana faha
7.
Tsindriho ny sary raha te handalina be be kokoa ny hevi-
panahin’ireo Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah.

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

Coquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptxCoquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptx
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdfMy Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Fiami radio.pdf
Fiami radio.pdfFiami radio.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdfFilazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdf
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana BaibolyAmbasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Coquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptxCoquerel’s Sifaka.pptx
Coquerel’s Sifaka.pptx
 
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdfMy Trip to New Orleans - 2013.pdf
My Trip to New Orleans - 2013.pdf
 
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdfInona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona.pdf
 
Fiami radio.pdf
Fiami radio.pdfFiami radio.pdf
Fiami radio.pdf
 
Filazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdfFilazantsara mandrakizay.pdf
Filazantsara mandrakizay.pdf
 
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana BaibolyAmbasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
 
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 

Inona ny "Planin'ny Famonjena"?

  • 1. NY PLANIN’NY FAMONJENA JERY ANKAPOBENY NY PLANIN’ ANDRIAMANITRA TENY FAMPIDIRANA Ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana dia mitandrina izay antsoiny hoe « Fanasan’ny Tompo », « Lamesa », « Eokaristia », na izay fanao mitovy amin’izany, mitarika ho amin’ny fizarana ny mofo sy ny divay izay manamarika ny sorona nataon’i Kristy. Vitsy amin’izy ireo anefa no mahazo ny antony anaovany izany, sady samy hafa koa ny fanatanterahany azy araka ny antokom-pivavahana (anara- piangonana) arahiny. Io fomba fanao io dia fahatsiarovana ny DINGANA VOALOHANY IHANY amin’ny Planin’Andriamanitra. Ho an’ny ankabeazan’ny
  • 2. Kristiana, ireo dingana hafa rehetra dia tena tsy jerena akory, koa noho izany dia tena tsy azony izay dikany. Manana Planina misy dingana fito Andriamanitra – toy ny nampahafantarany zavatra sasany mifototra amin’ny isa fito. Hatrany am-boalohany, Andriamanitra dia namorona ny andro fito amin’ny herinandro (Gen 1). Ny andro fahafito dia nofidiny ho Sabatany masina (Gen 2:1-3). Taorian’izay dia nanome ny Andro masina fito isan-taona Izy, hampahafantarany ny Planiny sy ny Tanjony ho an’ny zanakolombelona (Lev 23). Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia hitantsika ny fanoritany ny Fiangonana FITO ao amin’ny Apokalypsy (Apo 1:20 ; Apo 2 ; Apo 3). Azontsika vakina koa fa misy ny Tombokase FITO, Trompetra FITO, Loza FITO farany, ets. Satria ny isa fito dia mariky ny fahatotontasana na ny fahatanterahana.
  • 3. Noho izany, raha azontsika, toa tsy misy dikany ny fankalazana Fetin’Andriamanitra fanao isan-taona IRAY IHANY, izay manoritra ny am-pahany iray fotsiny amin’ny Planiny, fa HADINOINA kosa ny sisa. Mba hijerena ankapobeny izay ho hitantsika amin’ny antsipiriany, dia ‘ndeha hodinihina fohy ireo Fetin’Andriamanitra ara- panahy FITO isan-taona, hahazoantsika bebe kokoa ny Planina sy ny TANJONA ambaran’izy ireo. INONA NO PLANINA NATAON’I JEHOVAH HAMONJENA NY OLONA?
  • 4. 1)Voalohany, ankalazaintsika manetriketrika ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy nisolo antsika. Ny Baiboly dia miantso izany hoe « Paska ». Io no manamarika ny fankatoavantsika ny tenan’i Kristy torotoro sy ny rany latsaka, izay natolony antsika amin’ny maha Mpamonjy Azy. Tadidio anefa fa dingana voalohany amin’ny Planin’Andriamanitra ihany io! 2)Manaraka izany, tsy maintsy MITOMBO amin’ny fahasoavana sy fahalalana an’i Jesosy Kristy isika (2 Pet 3:18), ary MANARY any ivelan’ny
  • 5. fiainantsika ny lalantsika taloha sy ny fahazarantsika manota. Izany fahaiza-miaina izay manery antsika « handresy » izany no tantarain’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira. 3)Fahatelo, isika rehetra izay mamorona ny Fiangonana nateraky ny Fanahy Masina – ny « ondry vitsy » (Lio 12 :32) – isika dia « santatra » ihany amin’ny vokatra ara-panahy lehibe izay hiseho aorian’ny Fiverenan’i Kristy. Noho izany, ny Fety isan-taona fahatelo, ny Fetin’ny Pentekosta na Fetin’ny Voaloham-bokatra, dia
  • 6. mampiseho fa tsy misy afa-tsy vokatra ara- panahy kely ihany, no angonin’Andria manitra ankehitriny. Ny tena marina dia izao: TSY EO AM- PANANDRAMANA « mamonjy » izao tontolo izao Andriamanitra ankehitriny. Fa raha izany fanandramana izany no ataony, dia olona tsy mino AN-DAVITRISANY maro, efa maty hatramin’ny elabe, ary koa betska toy izany, mbola velona ankehitriny any Chine, Inde sy any amin’ny firenen-kafa maro, no tsy hahafantatra velively an’Andriamanitra marina, na hankatò ny Zanany ho Tompo sy Mpamonjy !
  • 7. 4)Ny zava-hitranga amin’ny ANDRO FARANY dia tantaraina ao amin’ny volana fahafito Fahefatra, ny Fetin’ny Trompetra , (Lev 23:24) dia mampiseho ny FIAFARAN’izao tontolo izao misy fikorontanana lehibe ary koa ny Fiverenan’i Kristy eto an- tany. Ny trompetra ara- bakiteny dia nampiasaina tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely taloha ho tsofina hampiomanana rehefa misy ady. Amin’ny androntsika izao, amin’ny fotoana faratampon’ny ady sy fikorontanana eran- tany, dia hiverina Jesosy Kristy hamonjy, ary hisy
  • 8. fitsanganan’ny maty amin’ny « FITSOFANA NY TROMPETRA FARANY » (1 Kor 15:51- 52). 5)Rehefa izany, aoriana akaikin’ny fiverenan’i Kristy, Satana dia hofatorana sy hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, « mba TSY HAMITAKA NY FIRENENA INTSONY ». (Apo 20:3). Noho izany, rehefa voafatotra i Satana, dia afaka « hampihavanina », na “ho tena iray” amin’Andr iamanitra ny olona. Izany no tantarain’n y Fety ara- panahy fahadimy – Andro Fanavotana.
  • 9. 6)Aorian’ny fiverenan’i Kristy, Andriamanitra dia handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny olona rehetra, ary hanomboka hanazava ny fahafantarana marina ny Planiny lehibe. Miteny momba izany fotoana izany Izy, ary milaza hoe : « Ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isa 11:9). Izany no ambaran’ny fitandremantsika am-pifaliana ny Fety fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, – Fetin’ny Tabernakely, na « Fetin’ny Famoriam- bokatra » (Eks 34:22).
  • 10. Ny tetiandron’ny Fety Masin’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fizaran- taona fijinjam-bokatra tany Isiraely. Arak’izay voatondro, izy ireo dia mitantara fijinjam- panahy ho an’Andriamanitra. Amin’ny voalohany, ny vokatra kely dia ambaran’ny Fetin’ny “Santa-bokatra” (Jesosy Kristy) sy ny “Voaloham-bokatra” (Kristiana amin’ny fitsanganana voalohany). Ary amin’ny FARAN’izao andro izao, ny fijinjam-bokatra lehibe amin’ny faran’ny taona dia ambaran’ny « Fetin’ny Tabernakely » (Fanjakana arivo taona). Izao kosa isika dia tonga amin’ny Fety ara-panahy fahafito sady farany, izay nomen’Andriamanitra ny olony. “Fa inona indray no tsy mbola mahafeno io Planina io?” hoy ny fanontanianao. Aorian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona, dia mbola hisy
  • 11. olona AN-DAVITRISANY MARO, maty taloha, izay TSY NANANA MIHINTSY tamin’ny androm-piainany, fotoana NAHAFANTARANY izay kely indrindra momba an’Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ary ny Planin’ny Famonjena. Inona no hanjò ireo olombelona an-davitrisany “very” ireo, satria “TSY MISY FIZAHAN-TAVAN’OLONA” amin’Andriamanitra? (Rom 2:11). Ny Fety lehibe fahafito dia manambara ny fotoana izay hanokafan’Andriamanitra - VOALOHANY ny fanahin’ireo olombelona ireo – mba hahazoany ny Tenin’Andriamanitra, sy hananany fotoana hisoratan’ny anarany ao amin’ny “bokin’ny fiainana” (Apo 20:11-12 ».
  • 12. 7)Amin’ny fitandremana io Fety fahafito io izay antsoina hoe « Fara- fivoriana (Lev 23:36) na Andro lehibe farany » (Jao 7:37), no maha feno ny fahalalantsika ny sarin’ny PLANINA nataon’ny Mpamorona hidiran’ny olombelona ao amin’ny Fianakaviany na Fanjakany. Ny fanatanterahana ny dingana rehetra amin’io Planina io dia manomboka amin’ny fanekentsika an’i Kristy ho Mpamonjy, ka hatramin’ny fiverenany, ary mitohy hatramin’ny Andro lehibe farany, rehefa manana fotona hahavonjy azy ny olombelona REHETRA. Ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo dia sarin’ny Planin’Andria manitra TOKOA.
  • 13. Noho izany, ny fetim- pivavahana hafa avy amin’ny fanompoan-tsampy, izay nampidirin’i Satana tamin- kasomparana sy fitaka ao amin’ny fiangonana dia tena somonga ratsy mihitsy. Ny marina dia izao, mivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy sy Kristy sandoka ireo fiangonana ireo, ary manosika ny olona hanaiky filazantsara diso, izay mifanohitra mivantana amin’ny hafatra marina notorin’i Jesosy Kristy sy ny Apostoly ! Ireo Fety fito ireo – ny roa aminy maharitra fito andro, ary ny dimy maharitra indray andro ihany – dia misy andro sivy ambin’ny folo isan-taona ny fitambarany. Amin’ireo andro sivy ambin’ny folo ireo, ny fito dia fitsaharana manokana na “Sabata”. Ireo Sabata fito isan- taona ireo – izay antsoina hoe koa « Fivoriana Masin’Andriamanitra isan-
  • 14. taona » - na « Andro Masin’Andriamanitra isan- taona », dia ireto avy : ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny Pentekosta, ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Tabernakely, ary ny Fara-Fivoriana (antsoina hoe koa Andro Fahavalo amin’ny Tabernakely). Fotoan’ireo Fivoriana Masina tsirairay isan- taona « Ny amin'ny fotoam- pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » (Lev 23:3)
  • 15. « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Lev 23:2, 4, 37)  Paska : andro Faha 14 Nisana, rehefa hariva.  Mofo Tsy Misy Masirasira : andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 Nisana. Misy andro fitsaharana roa: faha 15 sy faha 21 Nisana.  Pentekosta: andro Faha 50 isaina manomboka ny ampitson’ny Sabata ao anatin’ny herinandron’ny Paska.  Fitsofana trompetra: andro Voalohan’ny volana faha 7.  Andro Fanavotana: andro Faha 10 amin’ny volana faha 7.  Tabernakely: andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 amin’ny volana faha 7. Fivoriana masina amin’ny andro faha 15.  Fara-fivoriana: andro Faha 22 amin’ny volana faha 7.
  • 16. Tsindriho ny sary raha te handalina be be kokoa ny hevi- panahin’ireo Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah.