Inona no Valisoa ho an’Izay Maharesy sy Maharitra amin’ny Finoana?
Zava-Miafina ny Fanjakan’Andriamanitra
Zava-miafina ny fanjakan'Andriamanitra ary amin’ny fanoharana no nitorian’i Jesosy Kristy ny momba izany.
Mila manana faharetana sy fanetrentena izay mikatsaka izany.
« Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? » (Matio 13:10)
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11)
« Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany. » (Lioka 8:9)
« Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isaia 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lioka 8:10)
Izay Miavonavona dia ho Diso Làlana
« Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. » (Isaia 6:9)
« Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana. » (Isaia 6:10)
« Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany; » (Isaia 6:12)
Nefa Izay Maharitra amin’ny Finoana no Handova FiainanaMandrakizay
« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apokalypsy 20:6)