SlideShare a Scribd company logo
INONA NO ATAO HOE
“FAHAVETAVETANA”?
FAMARITANA: Ny teny hoe
“fahavetavetana” dia miverina in-117 ao
amin’ny Baiboly. Raha faritana ny teny
hoe “fahavetavetana” dia entina milaza
fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny
sitrapon’Andriamanitra, ary tsy tokony ho
hita ety ambany masoandro akory.
Ohatra amin’izany ny fihinanana biby sy
hena maloto (Lev.11, Deot 14:3, Asa
15:20), ny fanompoan-tsampy (Deot.
7:25), ny lainga (Oha. 11:1), ny hevi-
dratsy (Oha. 15:26) , ny fiavonavonana
(Oha. 16:5), ny fitafy tsy sahaza (Deot.
22:5) , ny fanamarinana ny meloka na ny
fanamelohana ny marina
(Ezek. 18:24), ny fijangajangana (Lev.
19:29), sy ny fanaovana izay rehetra tsy
araky ny sitrapon’Andriamanitra eo
amin’ny fifandraisan’ny olona (Oha. 6,
Lev. 18).
Ny Lev.18 dia milaza karazana
fahavetavetana maro eo amin’ny
fifandraisan’ny olona amin’ny manodidina
azy, ary voararan’i Jehovah izany rehetra
izany, satria tena fahavetaveana ary
izany karazana fanambadiana izany dia
tsy mampisy hasina ny fanambadiana.
Halan’i Jehovah ny fahavetavetana; ary
firenena maro no efa naringany noho ny
fahavetavetan’ny mponina ao aminy. Ny
Bokin'ny Mpanjaka sy ny Tantara dia
milaza ny nandringanana ireo firenena
manao fahavetavetana.
 1 Mpanjaka 14:24 (fahavetavetana sy
fijangajangana amin’ny ankapobeny);
 2 Mpanjaka 16: 3 (fahafoizan-jaza);
 2 Mpanjaka 21: 2 sy 2 Mpanjaka 21:11
(fanompoan-tsampy);
 2 Tan. 28: 3 (fahafoizan-jaza);
 2 Tan. 33: 2 (fanompoan-tsampy);
 2 Tan. 34:33, 36: 8, ary 36:14
(ankapobeny). (Ezra 9: 1, 9:11, ary 9:14)
Amin'izany toe-javatra rehetra izany, ny
“fahavetavetana” dia manondro
fitondrantena sy fomba mamoafady
vahiny, izay nataon'ny Isiraely sy ny
mpanjaka israelita, ka mahameloka azy
ireo eo imason’i Jehovah sy ny tany
aman-danitra.
Ary toy izany koa, ny teny hoe
“fahavetavetana” dia entina hilazana ny
fanompoan-tsampy (Ezek. 5:11, 6: 9,
6:11, 7:20, 14: 6, 20: 7-8, 22 : 2, 44: 6-7,
44:13), fanamparan-kery (Ezek. 18:13),
fanandratan-tena sy avonavona (Ezek.
16: 47-50; ny "Fahotan'i Sodoma") , ny
fanitsakitsaham-bady (Hebreo 22:11,
33:26), ary ny herisetra (Ezek. 33:26), ary
koa fehezan-teny ankapobeny momba ny
fanaon'ny olona hafa firenena (Ezek.
16:51) na fandikan-dalàna ( Ezek. 5: 9, 7:
3-4, 7: 8-9, 9: 4, 11:18, 11:21, 12:16, 16:
2, 16:43, 18:24, 20: 4, 33:29, 36:31).
Ezekiela koa dia nilaza fa fahavetavetana
ny fanompoan-tsampy sy
"fijangajangana" (Ezek 16:22, 16:36,
16:58, 23:26, 43: 8).
FAHAVETAVETANA NY
FIFANAMBADIAN'NY
OLONA MITOVY
FANANAHANA
.Amin’izao vanim-potoana izao dia maro
no mirona amin’ny firaisana sy
fanambadian’ny olona mitovy
fananahana. Ary dia miezaka mihitsy izy
ireo olona izay atao hoe sarimbavy sy
sarindahy, lesbiana, gay, ary ny toa azy
ireny, mivondrona ho amin’ny
fikambanana iray, miady ny zony sy
fahafahany haneho malalaka izany
fihetsika sy fomba “sodomita” izany.
Nefa kosa, eo anivon’ny fiaraha-monina
mandala ny fomba nentim-paharazana sy
matahotra an’Andriamanitra, dia hita
miharihary fa fomba mamoafady ary tena
tsy fampiseho masoandro mihitsy ny
firaisana na ny fifanambadian’ny lahy sy
ny lahy, sy ny firaisana na
fifanambadian’ny vehivavy amin’ny
vehivavy. Fahavetavetana eo imason’i
Jehovah Andriamanitra izany.
Ny LEVITIKOSY 18 dia mampiseho ireo
karazana fahavetavetana sy fomba
mamoafady isankarazany, izay tsy
tokony hatao na oviana na oviana mba
hahamasinana ny fanambadiana.
Anisan’ireny fahavetavetana eo imason’i
Jehovah ny fandrian'ny lehilahy amin'ny
lehilahy, ary koa ny fandrian’ny vehivavy
amin'ny vehivavy. Izao no voalazan’ny
Baiboly:
« Aza mandry amin'ny lehilahy
tahaka ny fandry amin'ny
vehivavy; fa fahavetavetana
izany. » (Levitikosy 18:22)
Firenena masina ho an’i Jehovah ny
zanak’Isiraely, ary isika ankehitriny koa,
izay zanak’Isiraely ara-panahy, sady
zanak’Andriamanitra koa, dia nomena
izany toromarika izany, mba tsy hanao
izay rehetra atao hoe fahavetavetana eo
imason’i Jehovah, mba tsy
handringanany sy hamongorany azy:
Mazava tsara ny Levitikosy 18: 26-30:
« Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko
ianareo, ka aza misy ataonareo izany
fahavetavetana izany, na ny tompon-
tany, na ny vahiny eo aminareo »
(Levitikosy 18:26)« (fa izany
fahavetavetana rehetra izany no
nataon'ny tompon-tany izay talohanareo,
ka dia naloto ny tany), » (Levitikosy
18:27)« mba tsy handotoanareo ny tany
ka tsy handoavany anareo, tahaka ny
nandoavany ny firenena izay
talohanareo. » (Levitikosy 18:28)« Fa
izay rehetra manao izany fahavetavetana
izany na dia iray aza dia hofongorana tsy
ho amin'ny fireneny. » (Levitikosy
18:29)« Koa dia tandremo izay asaiko
tandremana, mba tsy hisy hataonareo
akory izany fanao vetaveta izany, izay
nataon'ny olona talohanareo, ka aza
mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho
no Jehovah Andriamanitrareo. »
(Levitikosy 18:30)
Mbola naverin’i Jehovah indray ny lalàna
momba ny fitondrantena sy
fanambadiana ao amin’ny Levitikosy 20,
ary anisan’ny nohamafisiny ny
FANDRARANA ny firaisana ara-nofo eo
amin’ny samy lehilahy. Ary toy izao koa
ny voalazan’i Joda:
« [Fananarana ny amin'ny
mpampianatra sandoka] Joda,
mpanompon'i Jesosy Kristy sady
rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona
voantso, malala ao amin'Andriamanitra
Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy; »
(Joda 1)
« Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na
dia efa fantatrareo rahateo aza ny
zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny
Tompo ho afaka tany Egypta ny olona,
dia naringany ihany tao aorian'izany izay
tsy nino. » (Joda 5)« Ary ny anjely izay
tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa
nandao ny fonenany, dia voahazony
amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny
maizina ho amin'ny andro fitsarana
lehibe. » (Joda 6)« Ary toy izany koa,
Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna
nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka
azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia
aseho ho fananarana amin'ny iaretany
fijaliana amin'ny afo maharitra
mandrakizay. » (Joda 7)
NY OLONA TSY
MARINA TSY MBA
HANDOVA NY
FANJAKAN'
ANDRIAMANITRA
Ny Baiboly dia milaza fa ny nofo aman-
drà tsy handova ny
fanjakan'Andriamanitra, satria tsy
manam-pahamasinana izy. Izay rehetra
manao izany fahavetavetana izany koa dia
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny:
« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy
marina tsy mba handova ny
fanjakan'Andriamanitra? Aza mety
hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga
sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka
vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao
Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny
mpangalatra sy ny mpierina sy ny
mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny
mpanao an-keriny dia tsy mba handova
ny fanjakan'Andriamanitra. » (1
Korintiana 6:10)
« Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia
izao: Fijangajangana, fahalotoana,
fijejojejoana, » (Galatiana 5:19)«
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy,
fandrafiana, fifandirana, adi-lahy,
fiafonafonana, fifampiandaniana,
fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:20)«
fialonana, fahamamoana, filalaovan-
dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko
aminareo rahateo, tahaka ny voalazako
fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy
handova ny fanjakan'Andriamanitra.
» (Galatiana 5:21)
Ny Apokalypsy 21:8 sy 27 ary
Apokalypsy 22:15 koa dia milaza fa tsy
hiditra ao amin'ny
Fanjakan'Andriamanitra tsy mino, ny
mpandainga, ny mpijangajanga sy ny
mpamono olona sy ny mpanompo
sampy, ary ny vetaveta:
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy
masina, na izay manao vetaveta, na izay
mandainga, fa izay voasoratra ao
anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny
Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)
FAMARANANA
Tsy mba handova fanjakan'Andriamanitra
ny olona vetaveta araka ny famaritana ny
voalaza ao amin'ny Soratra Masina:
« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy
marina tsy mba handova ny
fanjakan'Andriamanitra? Aza mety
hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga
sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka
vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao
Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny
mpangalatra sy ny mpierina sy ny
mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny
mpanao an-keriny dia tsy mba handova
ny fanjakan'Andriamanitra. » (1
Korintiana 6:10)Lahy sy vavy no
namoronan’i Jehovah ny olombelona. «
Aoka ny lahy hanao izay mety hatao
amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny
vavy amin'ny lahy. » (1 Korintiana 7:3)
Toy izany koa ny sodomita, izay tena
fahavetavetana eo imason'Andriamanitra:
« Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka
ny fandry amin'ny vehivavy; fa
fahavetavetana izany. » (Levitikosy
18:22) « Ary toy izany koa, Sodoma sy
Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina
azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka
lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho
fananarana amin'ny iaretany fijaliana
amin'ny afo maharitra mandrakizay. »
(Joda 7)
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny
vetaveta sy ny mpamono olona sy ny
mpijangajanga sy ny mpanao ody
ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny
mpandainga rehetra dia hanana ny
anjarany ao anatin'ny farihy
mirehitra afo sy solifara;
izany no fahafatesana
faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
« Ary tsy mba hiditra ao
mihitsy izay tsy masina, na
izay manao vetaveta, na izay
mandainga, fa izay voasoratra
ao anatin'ny bokin'ny fiainana
izay an'ny Zanak'ondry ihany.
» (Apokalypsy 21:27)
· « Fa any ivelany ny alika sy
ny mpanao ody ratsy sy ny
mpijangajanga sy ny mpamono olona
sy ny mpanompo sampy ary izay
rehetra tia lainga sady mandainga.»
(Apokalypsy 22:15)

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Fiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafoFitsaboana amin'ny otra sy sakafo
Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf ErdenDas Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
Das Jahrtausend: Das Reich Jesu Christi auf Erden
 

INONA NO ATAO HOE “FAHAVETAVETANA”?

  • 1. INONA NO ATAO HOE “FAHAVETAVETANA”?
  • 2. FAMARITANA: Ny teny hoe “fahavetavetana” dia miverina in-117 ao amin’ny Baiboly. Raha faritana ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina milaza fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary tsy tokony ho hita ety ambany masoandro akory. Ohatra amin’izany ny fihinanana biby sy hena maloto (Lev.11, Deot 14:3, Asa 15:20), ny fanompoan-tsampy (Deot. 7:25), ny lainga (Oha. 11:1), ny hevi- dratsy (Oha. 15:26) , ny fiavonavonana (Oha. 16:5), ny fitafy tsy sahaza (Deot. 22:5) , ny fanamarinana ny meloka na ny fanamelohana ny marina (Ezek. 18:24), ny fijangajangana (Lev. 19:29), sy ny fanaovana izay rehetra tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’ny olona (Oha. 6, Lev. 18). Ny Lev.18 dia milaza karazana fahavetavetana maro eo amin’ny fifandraisan’ny olona amin’ny manodidina azy, ary voararan’i Jehovah izany rehetra izany, satria tena fahavetaveana ary izany karazana fanambadiana izany dia tsy mampisy hasina ny fanambadiana. Halan’i Jehovah ny fahavetavetana; ary firenena maro no efa naringany noho ny
  • 3. fahavetavetan’ny mponina ao aminy. Ny Bokin'ny Mpanjaka sy ny Tantara dia milaza ny nandringanana ireo firenena manao fahavetavetana.  1 Mpanjaka 14:24 (fahavetavetana sy fijangajangana amin’ny ankapobeny);  2 Mpanjaka 16: 3 (fahafoizan-jaza);  2 Mpanjaka 21: 2 sy 2 Mpanjaka 21:11 (fanompoan-tsampy);  2 Tan. 28: 3 (fahafoizan-jaza);  2 Tan. 33: 2 (fanompoan-tsampy);  2 Tan. 34:33, 36: 8, ary 36:14 (ankapobeny). (Ezra 9: 1, 9:11, ary 9:14) Amin'izany toe-javatra rehetra izany, ny “fahavetavetana” dia manondro fitondrantena sy fomba mamoafady vahiny, izay nataon'ny Isiraely sy ny mpanjaka israelita, ka mahameloka azy ireo eo imason’i Jehovah sy ny tany aman-danitra. Ary toy izany koa, ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina hilazana ny fanompoan-tsampy (Ezek. 5:11, 6: 9, 6:11, 7:20, 14: 6, 20: 7-8, 22 : 2, 44: 6-7, 44:13), fanamparan-kery (Ezek. 18:13), fanandratan-tena sy avonavona (Ezek. 16: 47-50; ny "Fahotan'i Sodoma") , ny fanitsakitsaham-bady (Hebreo 22:11, 33:26), ary ny herisetra (Ezek. 33:26), ary koa fehezan-teny ankapobeny momba ny
  • 4. fanaon'ny olona hafa firenena (Ezek. 16:51) na fandikan-dalàna ( Ezek. 5: 9, 7: 3-4, 7: 8-9, 9: 4, 11:18, 11:21, 12:16, 16: 2, 16:43, 18:24, 20: 4, 33:29, 36:31). Ezekiela koa dia nilaza fa fahavetavetana ny fanompoan-tsampy sy "fijangajangana" (Ezek 16:22, 16:36, 16:58, 23:26, 43: 8). FAHAVETAVETANA NY FIFANAMBADIAN'NY OLONA MITOVY FANANAHANA .Amin’izao vanim-potoana izao dia maro no mirona amin’ny firaisana sy fanambadian’ny olona mitovy fananahana. Ary dia miezaka mihitsy izy ireo olona izay atao hoe sarimbavy sy sarindahy, lesbiana, gay, ary ny toa azy ireny, mivondrona ho amin’ny fikambanana iray, miady ny zony sy fahafahany haneho malalaka izany fihetsika sy fomba “sodomita” izany. Nefa kosa, eo anivon’ny fiaraha-monina mandala ny fomba nentim-paharazana sy matahotra an’Andriamanitra, dia hita miharihary fa fomba mamoafady ary tena tsy fampiseho masoandro mihitsy ny firaisana na ny fifanambadian’ny lahy sy ny lahy, sy ny firaisana na fifanambadian’ny vehivavy amin’ny vehivavy. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitra izany. Ny LEVITIKOSY 18 dia mampiseho ireo karazana fahavetavetana sy fomba mamoafady isankarazany, izay tsy tokony hatao na oviana na oviana mba
  • 5. hahamasinana ny fanambadiana. Anisan’ireny fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny fandrian'ny lehilahy amin'ny lehilahy, ary koa ny fandrian’ny vehivavy amin'ny vehivavy. Izao no voalazan’ny Baiboly: « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22) Firenena masina ho an’i Jehovah ny zanak’Isiraely, ary isika ankehitriny koa, izay zanak’Isiraely ara-panahy, sady zanak’Andriamanitra koa, dia nomena izany toromarika izany, mba tsy hanao izay rehetra atao hoe fahavetavetana eo imason’i Jehovah, mba tsy handringanany sy hamongorany azy: Mazava tsara ny Levitikosy 18: 26-30: « Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon- tany, na ny vahiny eo aminareo » (Levitikosy 18:26)« (fa izany
  • 6. fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), » (Levitikosy 18:27)« mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. » (Levitikosy 18:28)« Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Levitikosy 18:29)« Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 18:30) Mbola naverin’i Jehovah indray ny lalàna momba ny fitondrantena sy fanambadiana ao amin’ny Levitikosy 20, ary anisan’ny nohamafisiny ny FANDRARANA ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lehilahy. Ary toy izao koa ny voalazan’i Joda: « [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy; » (Joda 1) « Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino. » (Joda 5)« Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana
  • 7. lehibe. » (Joda 6)« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7) NY OLONA TSY MARINA TSY MBA HANDOVA NY FANJAKAN' ANDRIAMANITRA Ny Baiboly dia milaza fa ny nofo aman- drà tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra, satria tsy manam-pahamasinana izy. Izay rehetra manao izany fahavetavetana izany koa dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny: « Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao
  • 8. Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10) « Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:19)« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:20)« fialonana, fahamamoana, filalaovan- dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (Galatiana 5:21) Ny Apokalypsy 21:8 sy 27 ary Apokalypsy 22:15 koa dia milaza fa tsy hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra tsy mino, ny mpandainga, ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy, ary ny vetaveta: « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)
  • 9. FAMARANANA Tsy mba handova fanjakan'Andriamanitra ny olona vetaveta araka ny famaritana ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina: « Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)Lahy sy vavy no namoronan’i Jehovah ny olombelona. « Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. » (1 Korintiana 7:3) Toy izany koa ny sodomita, izay tena fahavetavetana eo imason'Andriamanitra: « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22) « Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7) « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny
  • 10. anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8) « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27) · « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.» (Apokalypsy 22:15)