30/01/12                                  Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana ! | FI.MPI.MA




     Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana !
     "Sambasamba Andriamanitra Andriananahary,

     ho arivo tratry ny tao-mitsingerina anie isika mianakavy"

     Araka izany amin'ny fo feno haravoana no hiarahabanay ny Mpikambana FI.MPI.MA. rehetra na ny eto an-
     toerana na ny any an-dafin-drano, nahatratra izao asaramanitra izao.

     Hitombo hery anie ny isam-batan'olona ka hahatontosa am-pahamendrehana ireo adidy iantsorohany.
     Hitombo hasina koa ny Fikambanantsika ka sady hisandrahaka no hanome aina vao ny fiarahamonina.
     Rariana ho taom-pahasoavana hatrany ny taona izay diavina ka hibosesika eo amin'ny fiainantsika ny
     fahasalamana, fanambinana, fahombiazana, andro lava hanaovan-tsoa, fa ireny mitambatra no
     FAHASOAVANA. Inoana sy antenaina fa ho tonga ilay amboaram-pandresena entintsika handravahana ny
     faha 50 taonan'ny FI.MPI.MA., indray mandingana monja aorian'izao.

     Vina temerin-drary izany, saingy "tsy vitam-bava toa tranom-pody". Mitaky taolam-baky, herin-tsaina,
     herim-po avy amin' ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Koa entanina ny isan-tsehatra mba hanao zava-
     dehibe ny fanomanana izany taon-jaobily izany. Efa nisy lamina napetraka mahakasika izany. Efa
     natsangana rahateo ny vaomieran'ny fankalazana, ivondronan'ireo mpikambana ao amin'ny birao foibe,
     solontena iray isam-paritany.

     "Ny mampatsiahy tsy mandodona, hoy iika, ary ny mamerin-teny tsy mamoritra", koa tiana ny manantitra
     fa vanim-potoana manan-tantara eo amin'ny fiainan'ny Fikambanana izany jaobily faha 50 taona izany, efa
     hiomana dieny izao isika. Ny tantara no hitsara, ny lasa tsy miverina, koa anjarantsika no mametraka
     fahatsiarovana mamy, hotarafin'ireo zandry, zanaka rehetra, hanjarian'izany ho vaingan-kery hiatrehan'izy
     ireo (miaraka amintsika) ny 50 taona manaraka indray.

     Veloma aina, soava tsarà
     Hiombom-po amin'ny FI.MPI.MA.

     Ity taona vaovao ity anie :

     "ho taom-pahasoavana,
     Ka hifanongoavan’
     Ny fy sy ny fitiavana,
     ho rakotra finiavana.
     Dia hivaingana ny asa,
     ho to izay nokasaina.
     K’izay milofo sy miezaka,
     ho lavitra taraina"

     Ny Filohan'ny Foibem-pirenen'ny Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara

     ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala

     Jereo eto ny akon-gazety

     To Top




www.kabary-fimpima.org/akon-kabary/detail/article/ho-taom-pahasoavana/                                            1/1

Exemple de titre pdf

  • 1.
    30/01/12 Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana ! | FI.MPI.MA Laharana 56 - Ho Taom-pahasoavana ! "Sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo tratry ny tao-mitsingerina anie isika mianakavy" Araka izany amin'ny fo feno haravoana no hiarahabanay ny Mpikambana FI.MPI.MA. rehetra na ny eto an- toerana na ny any an-dafin-drano, nahatratra izao asaramanitra izao. Hitombo hery anie ny isam-batan'olona ka hahatontosa am-pahamendrehana ireo adidy iantsorohany. Hitombo hasina koa ny Fikambanantsika ka sady hisandrahaka no hanome aina vao ny fiarahamonina. Rariana ho taom-pahasoavana hatrany ny taona izay diavina ka hibosesika eo amin'ny fiainantsika ny fahasalamana, fanambinana, fahombiazana, andro lava hanaovan-tsoa, fa ireny mitambatra no FAHASOAVANA. Inoana sy antenaina fa ho tonga ilay amboaram-pandresena entintsika handravahana ny faha 50 taonan'ny FI.MPI.MA., indray mandingana monja aorian'izao. Vina temerin-drary izany, saingy "tsy vitam-bava toa tranom-pody". Mitaky taolam-baky, herin-tsaina, herim-po avy amin' ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Koa entanina ny isan-tsehatra mba hanao zava- dehibe ny fanomanana izany taon-jaobily izany. Efa nisy lamina napetraka mahakasika izany. Efa natsangana rahateo ny vaomieran'ny fankalazana, ivondronan'ireo mpikambana ao amin'ny birao foibe, solontena iray isam-paritany. "Ny mampatsiahy tsy mandodona, hoy iika, ary ny mamerin-teny tsy mamoritra", koa tiana ny manantitra fa vanim-potoana manan-tantara eo amin'ny fiainan'ny Fikambanana izany jaobily faha 50 taona izany, efa hiomana dieny izao isika. Ny tantara no hitsara, ny lasa tsy miverina, koa anjarantsika no mametraka fahatsiarovana mamy, hotarafin'ireo zandry, zanaka rehetra, hanjarian'izany ho vaingan-kery hiatrehan'izy ireo (miaraka amintsika) ny 50 taona manaraka indray. Veloma aina, soava tsarà Hiombom-po amin'ny FI.MPI.MA. Ity taona vaovao ity anie : "ho taom-pahasoavana, Ka hifanongoavan’ Ny fy sy ny fitiavana, ho rakotra finiavana. Dia hivaingana ny asa, ho to izay nokasaina. K’izay milofo sy miezaka, ho lavitra taraina" Ny Filohan'ny Foibem-pirenen'ny Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala Jereo eto ny akon-gazety To Top www.kabary-fimpima.org/akon-kabary/detail/article/ho-taom-pahasoavana/ 1/1