1. Ny faingondomotra na spiruline
ilay lomotra mangamaintso iorenan’ny
fanatenan’ny zanakolombelona sy ny malagasy
Dr Ing. RAZAFINDRAJAONA Jean Marie,
Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy,
Mpampianatra Mpikaroka ao amin’ny IAA/ESSA
Tale n’ny ISTRAM, Ambositra
Adiresy hifandraisana :
- Dépt IAA, Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques, BP 175, Ankatso, Antananarivo (101)
- Institut Supérieur de Technologie Régional d’Amoron’i Mania, Ankorombe, Ambositra (306)
- Tél. 034 06 404 22 – 24 563 04 – 033 11 54004 - Email : rajaonabe@yahoo.fr
1- Ny momba azy sy ny bikany
Ny faingondomotra dia karazana lomotra zara fa hitan’ny maso ary mivelona ara-
boajanahary ao anatin’ireo dobo masira sy be karibonetra tsy lavitra ny sisin-dranomasina.
Miloko mangamaintso izy, manahaka ireny vy miaina na ressort ireny ny bikany ka
izany no antony niatsoana azy hoe faingondomotra na “spiruline” amin’ny teny frantsay na
koa “spirulina” amin’ny teny anglisy.
Mirefy ¼ mm (na 0,250 mm) ny halavany ary 0,009 ka hatramin’ny 0,025 mm ny
savaivony. Tokana tsy roa aman-tany izy satria efa 3 lavitrisa na 3.000 tapitrisa taona (3
milliards d’années) izay no nisiany. Izy irery no hany zava-mananaina ela niainana toy
izany eto ambonin’ny tany.
2- Ny fomba fiainany
Mivelona toy ny lomotra sy ny zava-maniry rehetra izy: mampiasa ny tara-
masoandro na koa ny tara-pahazavana ho loharanon-kery ary afaka manodina ny enton’arina
ao amin’ny rivotra (na CO2), na koa levona ao anaty rano ka lasa karibonetra (HCO3- sy
CO3--) sy ny sira mineraly ho raha organika toy ny siramamy, menaka, zarinofo na protida,
vitamina, sns, … Mora velona izy ary haingam-pitombo satria avo roa heny isan’andro ny
fitombony.
3- Ny fomba nitrandrahana azy
Fahagolan-tany dia sakafo fihinan’ireo Aztèque (razamben’ny Meksikanina, nonina
naodidina ny farihin’i Texcoco izay toerana iorenan’i Mexico ankehitriny, tany Mexique,
Amerika Atsimo) sy ny foko Kanembous (ao amin’ny Faritr’i Kanem, avaratra atsinana’i
Tchad, ao Afrika) izy ary nampiasain’izy ireo ho fanafody sy otrikaina fanampiny ho
an’ireo vehivahy miandry vohoka ihany koa.
Ny 1939 no nanomboka nanintona ny mpikaroka izy ary tamin’ny 1970 kosa no
nanomboka namokatra azyny orin’asa Meksikanina iray. Ankehitriny dia firenena maro
maneran’ny kaontinanta dimy (Amerika, Eoropa, Asia, Oseania ary Afrika) no efa
mitrandraka azy.
2. 4- Ny nahitana azy kisendrasendra sy ny fivelarany teto Madagasikara
Hitan’ny mpampianatra mpikaroka vietnamianina sy malagasy tao amin’ny IHSM
(Institut Halieutique et des Sciences Marines, Toliara) teny amin’ny faritra manodidina ny
tanànan’i Toliara izy tamin’ny taona 1989.
Nohamarin’ny ekipan’i Ripley FOX, mamapahaizana fanta-daza eran-tany momba
ny faingondomotra, na spiruline, izany fisiany eto Madagasikara izany tamin’ny taona 1994.
Ankehitriny dia vokarina any Toliara, Morondava, Antsirabe, Mahajanga ary anaty
laboratoara izy ka mama-pahaizana malagasy maro no efa manao asa fikarohana aminy.
5- Ireo zavatsoa mety ho azo avy amino
Ny fikarohana maro natao maneran-tany sy teto Madagasikara dia nampiseho fa ny
faingondomotra dia sakafo mahasalama, mampitombo, mampatanjaka, mampahiran-tsaina
ary manakana ny fahatavezana.
Mampilamin-tsaina, mampavitrika, manamafy ny hery fiarovana ary manafaingana
ny fahasitranan’ny aretina maro, ny fery ary ny fikatonana’ny faritra nodidiana izy.
Fitaovam-piadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza any amin’ny
firenena maro ary fampanjarian-piainana ho lehilahy ny faingondomotra.
Azo ampiasaina amin’ny fikokokoloana ny vatana, manatsara ny volo sy ny hoho
ihany koa izy.
Manatsara ny fiompiana biby sy hazan-drano izy ary mamadio ny tontolo iainana sy
afaka mampihena ny fiakaran’ny hafanan’ny tany satria mitroka enton’arina.
Akora famokarana loko voajanahary sy singa maro ihany koa izy ary azo atao asa
fidiram-bola maharitra sy mampivelatra ny sehatr’asa maro ny fitrandrahana azy.
Fefiny
Zava-mahasoa maro mety ho azon’ny olombelona, fa indrindra ho antsika Malagasy,
avy amin’ny fihinanana, ny fampiasana ary ny fitandrahana ny faingondomotra.
Tokony hanaram-penitra anefa izany fikirakirana azy izany araka ireo voka-
pikaronana maro efa eo am-pelantanana ka ho atolotra antsika etoana ao aorian’izao
tahirinkevitra savaranonando izao, mba ho fandraisan’ny manam-pahaizana malagasy sy ny
Akademia Malagasy anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny maharitra an’i
Madagasikara.
“Mitrandràha Mihinàna, ary mampiasà faingondomotra dia ho to izay kasainao”
Hafatra
Ny faingondomotra na spiruline
dia zavaboary tsy roa aman-tany